Edito

Fety mandatsa


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Antomotra toy ny oron-tsaka ity ny datin’ny 26 jona, vaninandro fankalazan’ny Malagasy rehetra ny fetin’ny fahaleovantenam-pirenena. Hafa kely izy amin’ity satria dia feno 50 taona ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena izany ankehitriny. Ho an’ny kristianina dia taon-jobily izany, jobily volamena, ary mendrika hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika. Lavitr’izany anefa ny zava-misy ankehitriny. Mpitondra voasazy iraisam-pirenena ary tsy ankatoavin’ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy no hitarika ny fankalazana. Na tiana na tsy tiana, henatra ho an’ny Malagasy sy Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao izany. Koa henatra ve hanaovana fety ? Niezaka ihany ny mpitondra, ary betsaka ny fampanantenana natao teto, toy ny hoe : hanana filoha vaovao voafidim-bahoaka ny Malagasy mialoha ny 26 jona, hitarika ny fankalazana ny fetim-pirenena. Nisy ny fifanarahana nifanaovan’ny mpitarika politika sonia teo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena hamahana ny krizy ka hametrahana tetezamita iaraha-mitantana.

Tsy tanteraka anefa izany ankehitriny. Mazava loatra fa fahadisoam-panantenana ary mamela fahoriana sy ratra am-po ao amin’ny Malagasy maro izany. Koa fety inona no hanjary anaty fahoriana ? Tsy nitsaha-nitotongana ny toekarena malagasy tao anatin’izay 15 volana nitondran’ny FAT izay. Nitombo isa ny tsy an’asa. Ripaka ary mila ho fongana ny harem-pirenena. Mahazo vahana ny kolikoly amin’ny asam-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana ary eny amin’ny fitsarana araka ny tatitra nataon’ny Bianco. Manjaka ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana, tsy ambanivohitra tsy an-tanàn-dehibe. Mandry fotsy ny Malagasy, zara raha mahita harapaka. Raiamandreny iza no hahavita hijery maso ny zanany amin’ny fahoriana mianjady amin’ny zanany toy izao ka hifaly sy hanao fety mandany vola ? Manafatra izao vahaza rehetra izao nefa ny zanany ao an-trano mandry fotsy ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT