Edito

Fety anaty horohoron-tsaina


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Manahirana ny saina ary tena mampihorohoro mihitsy tato ho ato ny mahita ireto riba mena mampahatsiahy fa faritra mena hita eny amin’ireo birao sy tranom-panjakana isan-karazany.

Toa manoatra noho ny tamin’ny 2014 sy ny taorian’izay ny tsy fitonian’ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny hiatrika ity hoe fetin’ny fahaleovantena. Ny fahatsapana ny lanjan’izany rehetra izany eo amin’ny vahoaka malagasy tsirairay moa dia aleo tsy ampahatsiahivina intsony satria miteny ho azy ny hatsiatsiaky ny fankalazana tamin’ity indray maka ity. Tsy sanatria fampitahorana ny tena sy ny mpiara-monina fa fanairana ireo hery politika kosa mba hikaroka fomba ahafahan’izy ireo mampirina ny hambom-po diso toerana sy ny fitiavam-pahefana tafahoatra ka haneho ho maodely ny tenany tsirairay avy fa afaka hifanaraka sy hiray hina vetivety aloha hiatrehana fotsiny ny fety. Fankalazany ny faha-58 taona niverenan’ny fahaleovantena aloha no teny ofisialy hanamarihana ny andron’ny talata izao. Izay adihevitra mandiso na manamarina izany sao dia azo hiverenana amin’ny fotoana manaraka fa mba ny fampatsiahivana ny tantara sy ny nahatongavana tamin’io daty io aloha no ezahana ho marim-pototra amin’ny kilonga farafaharatsiny.  Na fahaleovantena nitolomana io na nomena, tsy efa fahaleovantena ihany ve no anarany ? Sao dia ny manamafy fototra no tokony hatao fa tsy sanatria hanary na handrisika hanary ny eo an-tanana indray !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT