Edito

Fepetra mitondra mankaiza ?


  • Talata 14 Febroary 2017

Efa ela ny nahenoana fa mandray fepetra ny mpitondra fanjakana. Ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena hatramin’izao anefa dia miha very fanahy mbola velona ny mpiray tanindrazana.

Nilaza ho efa naharay ny fitarainan’ny vahoakany sy naheno ny hetahetan’izy ireo ny ankamaroan’ireo mpitondra, indrindra tao anatin’ireo kabary firariantsoa nifanesisesy ho an’izao taona vaovao izao. Isaky ny mihetsika anefa dia lazaina ho efa manangasanga hatrany ny vahaolana. 3 taona lasa izay no nahenoana fa 3 volana dia ho afaka ny delestazy. Vao tamin’ny herinandro teo anefa ny filoham-pirenena vao nilaza indray fa efa misy ny fepetra raisina manoloana ny fahasahiranana mampikaikaika vahoaka nampanantenaina hivaha vetivety tamin’ny 3 taona lasa ity. Inona foana ary mitondra mankaiza ary izao fepetra voalaza ho noraisina izao ? Sao sanatria fepetra hanamafy ny fasahiranana ? Na delestazy na vidim-bary na hain-tany mantsy izao dia nahazo faka manerana ny nosy.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT