vanim-potoana, niaina ny tantara, nanaraka fiainam-pirenena,…
no vaky vava sy mikolay fa tsy mbola nisy fahoriam-bahoaka tahaka izao hatramin’izay. Mba samy nanana ny fahadisoany sy ny fahalemeny ny mpitondra nifanesy, fa tsy mbola nisy tahaka ny volomboasary. Sanatrian’ny vava toa ankinina amin’ny vintana sy ny anjara sisa ny fiainan’ny ankamaroan’ny Malagasy, fa tsy mba misy taratra fanantenana firy. Ny tena zava-doza dia ny tsy fiaiken’ny mpitondra ankehitriny fa tsy mahomby izy, mandeha amin’ny tsy izy ny fitantanana ny Firenena, miha rendrika tsy mandohalika intsony ny Malagasy fa tena efa mitrosona amin’ny tany tsy misy mpiahy,… Fanamarinan-tena sy famokisana fampanantenana poakaty no betsaka. Ny olona miha mahantra sy sahirana, ny mahantra miha mahantra hatrany,… fa ny tena zava-doza dia ireo sokajiana ho saranga antonony na « classe moyenne » efa miha vitsy tsy hita soritra intsony fa mivarina any anaty fahantrana. Ny fahalemem-bahoaka, ny fahasahiraniny,… izay tsy hahafahany mikofoka dia zary adika sy raisina ho fankatoavana Fanjakana, fanekena ny zava-misy, fanantenana ny vokatra mbola ho avy,… Tena feno ny kapoakan’ny vahoaka fa tsy mitomboka, very fanahy mbola velona,… Sanatria resin’ny fandotoana politika amin’ny hoe : tsy mila korontana ny Firenena, mila taom-piasana anaty fitoniana sy filaminana maharitra vao afaka miainga ny toekerana, tsy iray andro ny fampandrosoana,… Fa iza no manakorontana eto ? Moa tsy afaka manao ny asany ny rafitra rehetra ? Moa tsy izay fanapahana tian’ny mpitondra atao eto dia mandeha daholo ? Indrisy anefa, fa zary famonoana vahoaka no betsaka, fangaronana ny paosin’ny Malagasy izay efa drodraky ny fahantrana no himasoana fa ny tamberiny tsy misy. Zary mijinja fahoriana andro aman’alina ny olona : tratry ny fanapoizinana, iharan’ny fidanganan’ny vidim-piainana, vokisana delestazy,… Dia mbola mieritreritra ve ny mpitondra ankehitriny fa mbola hahomby ny fanambatambazana sy fampanantenana zavon-tany ? Mbola mino fa hiadam-pinaritra satria na feno aza ny kapoaka tsy hitobaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.