Mihazakazaka ny fandehan'ny raharaham-pirenena ary maro ireo zava-nitranga tato anatin'ny 24 ora sy mbola andrasana hitranga amin'ity anio ity.
Ny omaly talata aloha dia nisongadina ary matoam-baovao ny fihaonana teo amin'ny iraky ny Troika momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana, tarihan'ilay jeneraly Tanzanianina tetsy amin'ny ministeran'ny raharaham-bahiny, sy ny fihaonan'ny mpanohitra tamin'ny tompon'andraikitra politikan'ny Troika teny amin'ny hotely Colbert ary ny fanambaran'ireo mpiasam-panjakana ambony fa hanao fitokonana fanairana izy ireo rahampitso. Raha ny fihaonana tamin'ireo samy jeneraly teny Anosy aloha dia voalaza fa nifantoka tamin'ny resaka fandriampahalemana. Mitazona ny heviny ireo lehiben'ny mpitandro ny filaminana malagasy fa tsy mbola fotoana hodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izao. Nanamafy ny filazany hatramin'izay kosa ny mpanohitra ny amin'ny hoe tsy voahaja ny tondrozotra ary mandringa izao rafitra tetezamita izao. Ankolafy lehibe roa no tsy ao anatiny dia ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka izany. Hentitra ny nambaran'ny mpanohitra tamin'ireo iraky ny Troika-n'ny SADC fa efa tena feno ny kapoaka ka tsy hanaiky lembenana sy arirarira intsony izy ireo, ary mitaky fanazavana avy amin'ny SADC ny amin'ny tena tian'izy ireo hahatongavana marina. Mitaky ny hampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ihany koa ireto mpanohitra ireto ary mazoto ny amin'ny hanatanterahana ilay fihaonana an-tampony eto Antananarivo. Fakan-kevitra ihany moa no nataon'ireo iraky ny Troika teto, ka noho izany dia mbola hitatitra ny zavatra hitany sy reny any amin'ny lehibeny izy ireo, izay vao hisy ny fanambarana ofisialy. Nahitsy koa ny fanambaran'ireo sendikan'ny mpiasam-panjakana ambony omaly maraina fa tena tsy hita taratra eto intsony ny tany tan-dalàna.
Feno koa ny kapoaka ho azy ireo, ary tsy azo ekena intsony ny gaboraraka sy ny tandrevaka amin'ny fitantanan-draharahan-panjakana. Noho izany dia hanao fitokonana fanairana izy ireo rahampitso alakamisy, ary raha mitavozavoza amin'ny fandraisana andraikitra ny fanjakana dia hihamafy ny fitokonana amin'ny herinandro. Milaza ny hanara-dia ny fitokonana sy fitakiana koa ny holafitry ny mpitsabo, ka asa hoe ahoana indray no handaminan'ny fitondrana tetezamita izany olana maro izany. Ny etsy tsy voalamina, dia efa mipoitra sahady ny ery. Tahaka ny tsy misy hirika hisian'ny fitoniana mihitsy raha ny fahitana azy, satria fitokonan'ireo mpitsara sy ny mpampianatra eny amin'ny oniversite, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny dokotera no mety handravaka ny krismasy sy ny faran'ny taona amin'ity 2011 ity.
Azo antoka fa raha tsy voavaha haingana ireo olana ireo dia hitatra ka tsy maintsy ho avy ihany ny fanehoan'ny olona ny fahasosorany sy ny fahatezerany amin'io taona ho avy io, satria tena mitarazoka loatra ny famahana ilay krizy ary hita ho tena tsy mahavita azy ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra fa toa mifanipy baolina sy mifandimby manao fanambarana fotsiny. Tsy mbola hita koa ny satroboninahitry ny mpanjaka, havotsotra ireo jiolahy satria tsy miasa ny fitsarana. Tsy efa azo lazaina hoe tany tsy misy fanjakana sy tsy misy lalàna ve izany ny eto e ? Sa hamorona hevitra ahoana indray Atoa Andry Rajoelina mba hanambatambazana ny vahoaka sy hampihodinana ny mason'izy ireo tsy hifantoka be loatra amin'izao fahasahiranana ravahan'ny savorovoro izao. Ny erikerika mahatondra-drano, hoy ny fandinihan'ny Ntaolo koa antenaina fa mbola mieritreritra tsara ny tena mahasoa ny firenena fa tsy lany andro miaro ny sezany sy ny fahefany ary ny tombotsoany ireo mpitondra, filohan'ny tetezamita, filoham-panjakana Atoa Andry Rajoelina, izany hoe raiamandrenin'ny Malagasy rehetra. Ho hita ato anatin'ny roa herinandro farany amin'ity taona ity ny fahendreny. Raha dila kosa anefa io fe-potoana io dia atao ahoana fa mety hiverina indray ny tantara, satria efa tena feno loatra ny kapoaka e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.