Edito

Feno ny kapoaka !


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Ratsy fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baskety raha niatrika lalao tamin-dry zareo Mozambikana omaly, taorian’ny fanokafana ofisialy ny Afrobasket Men, tanterahina ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, iadiana ny tompondakan’i Afrika amin’io taranja io.

 Siotsioka tsy nifandrenesana tao Mahamasina nialoha io lalao io. Tsy dia noho ny ekipa na ny mpilalao loatra, fa ny fijoroan’ny mpitondra amin’izao tetezamita izao, nandray fitenenana. Tsy levon’ny vavonin’ny mpitia fanatanjahantena eny ny Malagasy maro mantsy ny tetika handokoana politika sy fidedahan’ny mpitondra milaza fa lalana mitondra mankany amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fampiatranoana ity lalao ity eto Madagasikara. Ny an’ny mpijery aman’arivony maro tonga nameno trano anefa no tonga aloha.

Nandeha nivantana ary hitan’izao tontolo izao izany, ary teo anatrehan’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC. Mifanindran-dalana amin’ny fihaonamben’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC tanterahina any Luanda no itrangan’izany rehetra izany. Fihaonana heverina handrafetana vahaolana matotra, hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy mandrendrika azy efa ho 30 volana izao. Herinandro lasa koa izay, dia tsaroan’ny besinimaro fa niala an-daharana isika Malagasy, teo amin’io taranja io ihany, raha niatrika lalao iraisam-pirenena nandritra ny Lalaon’ny Nosy, andiany faha-8, notanterahina tatsy Seychelles. Nambara moa fa fandaminana teknika no antony tany, nefa hoy ny mpitazana hoe sao dia mba efa feno ny kapoaka e, ka tsy lefitry ny Gasy intsony na malaza ho mahay mandray vahiny aza izy !

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT