Edito

Feno ny kapoaka


  • Alarobia 13 Oktobra 2021

Tsy lavina ny fisiana hetsika samihafa ataon’ny Filoha sy ny fitondram-panjakana ankehitriny, izay miezaka mamorona zavatra mila ho isan’andro hanaovana sehoseho.

 Na zavatra tokony ho voatokan’ny ben’ny tanàna, olom-boafidy, na minisitra aza,… dia mila ny sarin’ny Filoham-pirenena no mila haseho isan’andro. Tena miharihary ny maha olon’ny dokam-barotra azy nialohan’ny naha mpanao politika, ary dia mifameno tanteraka ireo fahaiza-manao ireo. Henjana ny filazana fa tsy nanao na inona na inona ireo fitondrana nifanesy, fa ny ankehitriny no anjely tonga hanavotra an’I Madagasikara. Na eo aza anefa ireny fandokafan-tena farantampony ireny, dia tsy mahatakona ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena mibaribary eto amin’ny firenena. Maneno sahona ny zava-drehetra, saingy asa hoe: rehefa iza no hijoro sy hanaitra fa tsy mety intsony izao vao hino. Ny zava-miseho mantsy, dia mbola mahasahy manao vava tsy ambina matetika, mbola mahasahy miteniteny foana amin’ny eritreritra toa manidintsidina,… Mbola sahy hiteny ihany ve fa ambadika politika ireny hetsika ateraky ny olana samihafa tsy voavaha ireny? Asa hanao ahoana re ny ho fihodin’ity politika ity e? Hanao ahoana no fiafaran’ity Fanjakana ity? Na inona na inona aloha fandokafan-tena sy fanehoana isan’andro fa miasa, dia miharihary any anaty vilanin’ny olona ny fahasahiranana, ny fahatsapana fa tena tsy miantraika any aminy ny ambara fa fampandrosoana sy tetikasa goavana tanisaina etsy sy eroa. Tsy resaka fandokafana tsangan’olona, fa ilay iraikalahy fahiny niezaka naneho fa tena niasa, nifantoka kokoa tamin’ny politika mijery ny laharam-pahamehana mifandraika amin’ny Malagasy, voasokajy ho fitaritry ny fandrosoana ara-toekarena taty Afrika,… aza niongana, mainka fa ny toa tsy sasatry ny mampandrevirevy andro aman’alina vahoaka fa ny vokatra tena tsy hita soritra? Fahiny, 800Ar hatramin’ny 1000Ar ny kilaon’ny vary no nentina natao fitaovana hoe: homboy io fa hataontsika 500Ar io vary io. Izao vary 1000Ar tonga hatrany amin’ny 2500Ar raha kely dia inona no tokony hatao? Mbola Merci Prezida ve? Mila manao raki-pisaorana ny Fanjakana ankehitriny, fa efa tonga saina ny vahoaka Malagasy satria nahazo lesona tamin’ny 2009 fa raha izao zava-miseho izao dia efa tonga amin’ilay fitenenana hoe: “feno ny kapoaka”!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT