Edito

Feno fisalasalana


  • Alarobia 23 Jona 2021

Fiarahamonina feno fisalasalana ! Izay izany hatreto no azo hamintinana ny fiarahamonina naniry teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 2 taona sy tapany izay.

 Zary miteraka fisalasalana hatrany ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra sy zava-misy teto amin’ity firenena ity tato ho ato izay ary vokany moa, mazava ho azy, dia na taraiky ny fanapahan-kevitra na mitohivakana ny karazana tsy fankatoavana avy amin’ireo lazaina fa mpiara-miombon’antoka rehetra. Manginy fotsiny ny fahantrana sy fahoriam-bahoaka aterak’izany sy mbola iainan’ny Malagasy hatramin’izao. Nisalasalana tany am-boalohany ny fanidina sisintany. Vokany, tafiditra ny areti-mandripaka mampivarina ny sosialy sy toekarena hatramin’izao. Isalasalana hatrany io ny fitakiana ireo nosy manodidina. Vokany, miha lasan’ny vahiny ambongadiny hatramin’ny tany sasany ato anatiny. Nisalasalana ny nampiditra vakisiny. Vokany, vao miha mitombo ny fisalasalan’ny fiarahamonina manoloana ny tsy fankatoavan’ny firenena eoropeanina ny vakisiny nekena niditra eto. Tsy misy zavatra izay mifandraika amin’ny fitantanan-draharaha sy fandraisana andraikim-panjakana eto ankehitriny ka tsy mampisalasala. Mampisalasala hatramin’ny lazaina fa fanafody vokatra Malagasy toy ny CVO sy CVO+. Ho voavahan’izao fitondrana izao mandra-pahatapitry ny taom-piasany ihany ve izao olana mankadiry amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena izao? Na sosialy na toekarena na politika na kolontsaina na inona dia samy mbola mampametra-panontaniana daholo hoe mbola hisy varany ve izany rehetra izany afaka 10 taona? Na ny hery ankavanana na ankavia izao samy resy lahatra fa tsy feno ny fahaleovantenantsika na koa hoe sarintsariny. Raha izao no zava-misy, rahoviana izany no tena ho azo ny fahaleovantena feno? Manana ny hery ampy hisedrana izany rehetra izany ve izao fitondrana izao? Mampisalasala !
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT