Edito

Fasana hilevenan’ny firenena !


  • Zoma 28 Desambra 2018

Nivoaka iny ny valim-pifidianana vonjimaika ka eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny baolina manomboka eto.

Ny andrim-panjakana tarihiko dia voarafitra olona vanona sy tia tanindrazana. Tsy io vaomiera io no olana fa ny fankahalana no misy, raha ny karazana fanadiovan-tenan’ny filohany. Maro ny ahiahy momba ny karazana lalao maloto, ka toa maika ny fanipazana baolina any amin’ny HCC fa efa vita ny iraka na ny “mission” nampanaovina ny sasany amin’izy ireo ka dia hilamindamina hisitraka ny valim-babena. Nahazo tombondahiny ny kandida iray efa hita ny nataony sy nafitsony teto amin’ny firenena. Tsy manenjika na manasoketa fa raha ny tombana dia avo zato heny amin’ny zavatra nataony ny famotehana na ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy ara-toetsaina,…noho ny fanonganam-panjakana. Ny lesona azo tsoahina manomboka izao raha dinihina amin’ny niainga tamin’ny 2009 dia mahazo manongam-panjakana, mangoron-karena faran'izay tratra,… Milatsaka hofidiana avy eo, ary manao kolikoly avo lenta mba ho lany. Dia inona fotsiny no hihirahiran'ny Sehatra iraisam-pirenena ny hoe “Fifanarahan’i  Cotonou” fa tsy mahazo mirotsaka hofidiana ny mpanongam-panjakana, ary izy ireo no efa nanameloka ny zava-nisy teto amintsika. Ny nanao ratsy, ny namotika firenena indray ankehitriny no mitady hidingin-drambo sy hirehareha fa mandresy, hono, satria niantehatra tamin’ny lalao maloto sy ny hosoka. Dia mihevitra mihitsy fa ho azo mora foana io fahefana io. Tsy olan’ny kandida roa intsony ity fa olan’ny firenena manontolo satria katsahina mafy homena vahana ny tsimatimanota, hampanjakaina ny kolikoly satria tsy eo amin’ny fahefana aza efa tena mampiaiky volana ny rehetra mainka fa tonga eo. Anjaran’ny isam-batan’olona no mijoro satria safidy roa mazava be ny antsika eto hoe: hanaiky ny ratsy hanjaka ka handavaka fasana hilevenan’ny firenena sa hiady ho amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany ka hanoratra tantara vaovao ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT