Edito

Fasam-bovonana


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Hiala amin’ny laza maha fasana tetikasa, raha ho tafala amin’izany, izany dia hiditra amin’ny maha fasam-bovonana na fasam-bondrona sy fasam-pikambanana indray ity firenentsika ity raha izao no hitohy.

 

Saika isan’andro dia misy fikambanana vaovao mipoipoitra sy avy hatrany dia sahy maneho hevitra amin’ny haino aman-jery foana na dia vao am-bolana sy andro aza no niorenan’ny sasany. Ny mahagaga amin’izy ireny dia ilay fahasahian’izy ireo avy hatrany tonga dia maneho hevitra an-kasiahana ary saika mirona any amin’ny firesahana ny tontolo politika eto amin’ny firenena avokoa. Mety ho lafin-tsarany izy io raha toa ka tena fandraisana andraikitra amin’ny maha olompirenena tokoa. Iza tokoa moa no olombelona miaina anaty fiarahamonina ka ho afa-miala amin’ny raharaham-pireneny ? Rariny tokoa ny rehetra raha mba manokana fotoana hiteny rehefa ao anaty savorovoro maha tery. Ny mampanahy hatrany anefa aloha, raha ny zava-nitranga hatreto, dia ny hoe izay fikambanana niforomporona vao omaly rehetra ity ka matoa sahy maneho hevitra manao tifi-danitra tato anatin’izay 3 volana teo ho eo izay dia saika misy olona na tambazotra matanjaka manohana avy ao ambadika avokoa tato ho ato. Mety ho manana ny tanjony manokana izy ireny izay tsy voatery ho tsara avokoa ary ny tena manahirana aza dia ny miheritreritra hoe sao lahy ka vovonana na vondrona na fikambanana noforonina sy ningaina hanetsika korontana vaovao indray izy ireny amin’izao atomotry ny vanim-potoam-pifidianana sy fivoizana ny resaka fanorenana ifotony izao ? Tombatombana zaritenany avokoa moa izany rehetra izany fa ny mampalahelo ao anatiny dia ity isika nisafidy ny tsy hietsika mba hihitsoka fa tsy mba tsy mahandry handeha araka ny hafatr’ilay zokibe iray izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT