Edito

Farany vao misy ventiny


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena. Mbola resabe eny Tsimbazaza eny amin’izao ny hoe horavana ny Antenimieram-pirenena. Betsaka no efa tsy tafandrimandry sao tratran’ny lako tampoka, ka efa manomana fiarovan-tena, dia fandrangarangana fampiatoana amin’ny asany ny filohan’ny Repoblika.


 Antomotra ny datin’ny 13 mey, izay nanan-tantara ho an’i Madagasikara tamin’ny 1972, nisian’ny hetsika mavaivay nataon’ny mpianatra izay niafara tamin’ny firodanan’ny Repoblika voalohany. Inona no hiseho amin’ity taona ity. Misy ny fikononkononana. Misy ifandraisiny amin’ny eny Tsimbazaza ve ? Hilatsaka alarobia tsy miverina koa moa ny 13 mey 2015. Samy manisa andro izao na ny mpiketrika na ireo kandida hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Ny MAPAR anefa mbola hiala nenina hitondra ny raharaha ifanolanany amin’ny minisiteran’ny Atitany teny amin’ny Filankevi-panjakana, fa izy no tena tompon’anarana, nefa ny fotoana efa antomotra. Hikatona afaka hefarana rahateo ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Farany araka izany izy ity vao misy ventiny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT