Ny zoma ho avy izao no hamelabelatra ny momba ny fanjakana palestinianina manoloana ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny filoha Mahamoud Abbas.
Hambara amin’ny fomba ofisialy mandritra io fotoana io ihany koa ny fangatahana ny Firenena Mikambana mba hanaiky sy hankato ny fijoroan’ny firenena palestinianina. Etsy ankilan’izay anefa dia ny omaly tsy niova ihany no mbola iainana satria mbola misy foana hatramin’izao ny tifitra basy sy rôkety, ny baomba mirefotra etsy sy eroa any Gaza sy Cisjordanie. Raha nampihavana an’Isarely sy Palestina ny filoha Amerikanina Bill Clinton, 17 taona lasa izay dia velombolo izao tontolo izao fa hitsahatra amin’izay ny fifanenjehana sy fifamonoana eo amin’ny roa tonta. Nisy ny sonia natao nifandray tanana sy nifanoroka i Yasser Arafat sy Shimon Peres, saingy … izao iaraha-mahita izao fa mbola mpifahavalo i Israely sy i Palestina. Tsy afaka mifanaraka mihitsy ve izany ny Jiosy sy ny Arabo ? Inona no antony nampikatso ny fandaminana ity krizy ity efa ho 60 taona izao ? Maro ireo fanontaniana tsy ahitam-baliny, fa ny hany hiadian-kevitra dia ny hoe : efa ara-tantara hatramin’ny 3000 taona lasa tany mihitsy io fifanolanana eo amin’ny Isaraelianina sy ny Palesinianina io, ary sarotra ny vahaolana aminy, mba tsy hitenenana hoe tsy ho hitan’ny olombelona mihitsy.
Efa an-jatony ny fivoriana natao handaminana ity krizy ity, nitety izao tontolo izao, saingy tsy hita ihany izay tena marina, ny olana fototra mantsy dia milaza fa tompon’ny tany ny Palestinianina, taorian’ny ady lehibe faharoa kosa no nafindra tany amin’io tany io ireo Jiosy nenjehan’i Hitler ka najoro tamin’ny 1948 ny firenena Israelianina. Nanohana azy hatramin’izay ka hatramin’izao i Etazonia. Mifamatotra tanteraka ny firenena roa tonta ary tena matotra ny fifandraisana. Efa nisy ny fotoana nifanandrinan’ireo firenena arabo manodidina azy tamin’Israely saingy na dia kely sy bitika aza ity firenena ity dia tsy naharesy azy ireo firenena arabo, enina andro ihany dia vita ny ady. Manamafy ireo mpandalina tantara fa zanak’Andriamanitra ny Israelianina, izany hoe ilay vahoaka voafidy ka tsy hisy firenena haharesy azy izany ! Ny Israelianina ihany koa anefa ireo antsoin’ny Kristianina hoe : zaza mpiodina, niala tamin’ny fitsipika nandidian’Andriamanitra azy ka dia very sy tojo olana. Sarotra dia sarotra, araka izany, ny famahana ity fifanolanan’ny Palestinianina sy Israelianina ity satria mety nosafosafoina fotsiny ireo olana fototra.
Averina eto indray fa sao dia sanatria izany koa no hitranga eto Madagasikara ! Tsy ny fahavitan’ny sonia mihitsy no inona fa ny faharesen-dahatry ny ankolafy rehetra ny amin’ny lalana hizoran’ny firenena. Mila fantatra tsara ny tantara, izay vao rafetina ny fandaharanasa hitondrana ilay firenena ka hiatrehana ny hoavy. Tsy maintsy mahafantatra ny nitranga tany aloha ela be tany ny mpitondra mba hahafahany maminavina ny tokony hatao amin’ny ho avy. Tahaka izany koa ny mpanao politika. Ny vahoaka moa dia manaraka ho azy eny e ! Io fomba fiasa io no nampatanjaka ireo firenena tandrefana sy ny Sinoa satria hain’izy ireo ny nandray lesona tamin’ny lasa, vitany ihany koa ny miaina ny ankehitriny ary efa vitany planina ny fiatrehana ny hoavy, ka na tojo olana aza izy ireo dia tsy maintsy tafavoaka foana fa tsy variana mifanasa vangy sy mifanome tsiny izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.