Edito

Fantaro ny atao hoe fandrosoana


  • Zoma 23 Febroary 2018

Samy mitantara ny ambara fa zava-bitany sy ny fampandrosoana nataony ny mpanao politika, ary mibororosy ny sain’ny Malagasy indray amin’ny ambara fa vina vaovao sy fandrosoana hoentiny.


Ny vahoaka no mila mahafantatra hoe: inona tokoa izany fandrosoana izany? Manao ahoana ny endrika isehoany? Mety ho arakaraka ny firenena tsirairay sy ny zava-misy ao aminy io, fa raha ho antsika aloha, dia mila tsaroana mandrakariva hoe ny 80% dia tantsaha avokoa singy tsy mahavita tena ara-tsakafo. Paikadim-pampandrosoana voalohany ho antsika izany ny hoe: mila mitodika amin’ny tantsaha, mila mahavelon-tena ara-tsakafo sy ara-pamokarana ny firenena, foanana tsikelikely ny fanafarana vary, velona tsara ny tantsaha Malagasy ary velona ny vahoaka satria mividy vary amin’ny vidiny mirary rehefa ampy ny vokatra. Mila voky aloha ny vahoaka mba hahafahany miasa sy mamokatra, ary mila manana ambim-bava sy tombony, fa tsy vitan’ny mahavelon-tena fotsiny. Mazava ho azy fa ilaina ny làlana hahafaha-mamoaka izany. Isan’ny politika lehibe napetrak’i Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny MAP izany. Raha ho an’ny Renivohitra, dia mila mazava ny politika momba ny angovo, izay hozatry ny famokarana, saingy vesatra ho an’ny Malagasy kosa izany ankehitriny. Ny orinasam-bahiny mibizina sy manambaka indray no hireharehan’ny fanjakana HVM, fa izay tena vahaolana avy aminy poakaty. Ny politikan’ny fampanan’asa moa, dia lavitry ny kitay ny afo, hany ka mirona any amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny maro. Raha fintinina dia hoe: mila olombelona mahavelon-tena sy mamokatra mihoatra ny filany no atao hoe fandrosoana aloha raha ho antsika, fa tsy balarora amin’ny nahavitana lapan’ny tanàna, hopitaly manara-penitra,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT