Fanovàna mitaky asa sy fahasahiana !


  • Alakamisy 27 Novambra 2025

Efa nisafidy ny hanova ny

vahoaka Malagasy mba hananana mpitondra mahomby, fitantanana mitsinjo ny soa iombonana, toekarena sy sosialy mihatsara sy azo tsapain-tanana,… Tsy mora ary mitaky asa, fihafiana, fiaraha-mientana, firaisankina, fiovana toetsaina,… Henjana rahateo ny lavaka navelan’ny fitondrana nanjakan’ny tsy fanjariana teo aloha, ary efa noresahana foana fa tsy mora ny handova sy handimby ny fitondrana Rajoelina izay sanatria toa nanao fanjakam-boalavo ka samy nanao izay danin’ny kibony,samy nikepoka izay sendra azy, samy nanao izay hamenoana ny paosy sy ny maletiny,… Betsaka ny endrika nisehoan’ny fahapotehana, izay tsy mora ny manarina azy. Tsy misy mazava ho azy ny fahagagana, fa tena mila ezaka sy fomba fiasa mahomby sy haingana. Tsy afaka ny hialokaloka eo ambanin’ny fitanisana ny olana sy tsy fahombiazan’ny teo aloha anefa isika, fa tena mila mandray lesona sy mitondra fanavaozana sy fanovana araka ny lokaloka nifanaovana. Raha hitanisa olana lava sy hampanantena lalandava kanefa tsy misy zavatra miova, dia zary herim-po very maina ny tolona. Mazava ho azy, fa tsy manan-tsafidy ny fitondrana, tsy manan-tsafidy ny vahoaka,… fa tena mila tazonina sy havadika ho herijika sy hery ary vokatra mitondra soa ho an’ny vahoaka sy ny Firenena ny dingana vita. Andaniny mantsy, mandady hatrany ny trambo, mbola misy ireo tsy maty voalavo an-kibo te hamingana,… Maro ireo vondrona ara-toekerana, vondrona firenena, firenena vahiny no miketrika mafy an’izay tsy ho very fihinana, tsy ho very tombotsoa,… Sehatra stratejika maro no mety hisiana don-tandroka sy tombotsoa goavana harovana. Mila mafy sy matanjaka isika eo anatrehan’izany. Tsy hoe hanangam-pahavalo na hanilika firenena izatsy na izaroa fa tena mila mafy sy matanjaka amin’ny fametrahana ho ambony indrindra ny tombotsoa sy fiandrianam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT