Edito

Fanovana manapotika ?


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

Nohamafisin'ny fitsarana Okrainianina ny fanamelohana an-dRtoa Ioulia Timochenko, higadra fito taona sazy mihatra.

 Midika avy hatrany izany fa tsy afaka ho kandida amin'izay fifidianana rehetra ho avy eo ity praiminisitra teo aloha ity. Raha hiverenana kely ny tantara dia mpiara-mitolona tamin'ny filoha Okrainianina teo aloha Atoa Victor Ioutchenko izy. Tany amin'ity firenena ity mantsy no anisan'ny nampalaza ilay "Révolution Orange", izay nisy nangala-tahaka sy nitondra teto Madagasikara tamin'ny 2009. In-droa miantoana no voatendry ho praiminisitra i Ioulia Timochenko nandritra ny fitondran’Atoa Ioutchenko. Tsy nety nifanaraka mihitsy anefa ny roa tonta koa dia nitsahatra ny fiaraha-miasa.

Nandritra izany fotoana rehetra izany dia nanomboka nisongadina teo amin'ny sehatra politika ihany koa Atoa Victor Ianoukovitch, izay filohan'i Okraina amin'izao fotoana. Politika io ka tsy maintsy misy ihany ny tsipy hoditr'akondro sy fingampingana maro samihafa. Nantenain'ny vahoaka fa tena hitondra fanovana taorian'ny "Révolution Orange" notarihany tamin'ny 2004 ny filoha Ioutchenko, ka dia resy izy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2010. Tafiditra hifaninana hiatrika ny fihodinana faharoa kosa i Ioulia Timochenko sy Victor Ianoukovitch, ka ity farany no nivoaka ho mpandresy. Lasa mpanohitra ny fitondrana kosa Rtoa Ioulia Timochenko, ka teo no nanomboka nihazakazaka ny toe-draharaha. Nivoaka avy hatrany ny antontan-taratasy milaza fa nanao fanararaotam-pahefana tamin'ny fanasoniavana fifanarahana fitrandrahana Gaz, tamin'i Rosia izy ka nanomboka ny raharaham-pitsarana. Nilatsaka ny didim-pitsarana manameloka azy higadra fito taona ny 11 oktobra 2011.

Maro be no nilaza fa fitsarana politika no natao taminy, ary tetika mba hanilihana azy tanteraka eo amin'ny tontolo politika any Okraina. Anisan'ny nanameloka io didim-pitsarana io ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenena tandrefana matanjaka, saingy tsy nampihetsi-bolomaso ny fitondran'ny filoha Victor Ianoukovitch izany fa dia ny nataony ihany no nataony. Notaterina eto ity tranga ity, satria misy itovizany amin'ny zava-misy eto Madagasikara dia tsy inona izany fa ny paikady ataon'ny mpitondra hanilihana tsimoramora ireo mpanohitra azy, ka hampiasana ny fitsarana. Tsy maintsy izay foana no mitranga ao amina firenena iray rehefa tia seza sy voninahitra loatra ny mpitondra ka manonofy ny hijanona eo faran'izay ela indrindra. Ny zava-nisy tany Okraina koa dia azo hanaporofoana fa tsy voatery hahomby sy hitondra voka-tsoa ho an'ny firenena foana tsy akory, ny fanaovana tolona sy revolisiona ary tena mety hanapotika sy hampikorontana azy mihitsy aza.

Tany Okraina izao dia tsy nahavita afa-tsy fotoam-piasana iray ihany ilay natao hoe nitari-tolona, niady tamin'ny praiminisitra notendreny izy, ity farany koa dia tsy nifanaraka tamina mpitarika politika avy amina ankolafy hafa. Dia io voaheloka higadra 7 taona io. Ka asa izay hiafaran'ny fanovana eto amintsika ity e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT