Tontosa iny ny fanovana governemanta izay toa mampametra-panontaniana ihany. Ireny hita farany teo ireny tokoa ve ilay antsoin’ny filoham-pirenena hoe “une équipe qui gagne” araka ny nambarany ?
Iaraha-manaiky, ohatra, fa tsy nitondra inona loatra tamin’ny fiovan’ny sosialim-bahoaka ny 100 Ariary nampidinina tamin’ny vidin-tsolika ary raha iverenana aza dia ny filoham-pirenena indray no niara-nikaon-doha tamin’ireo mpanjinjara nahatafavoahana iny fanapahan-kevitra iny. Ny olan’ny Jirama koa io iaraha-miandry ny tena fivahany tanteraka. Manao ahoana tokoa moa izao ny fanaraha-maso ny fanatanterahan’ireo orinasa tsy an-kanavaka rehetra ilay fampiakarana ny mari-karama farany ambany ho 200.000 ariary ? Tena tonga lafatra ve ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika tao anatin’izay 6 volana izay ? Ny mahagaga anefa dia toa ny tonta ihany no navadibadika tao anatin’ilay fanovana fa dia olona tokana monja, hono, no naharesy lahatra ho tsy nampahomby ny ezaky ny fitondrana farany teo. Miatomboka indray moa ankehitriny ny tetikasa tanàna vaovao. Mametra-panontaniana ny maro ankehitriny hoe tena hisy tanàna vaovao hitsangana tokoa ve sa Antananarivo sy Toamasina ary Ambatondrazaka ihany no havadibadika ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.