Raha nisy ny teny be mpampiasa indrindra teto amintsika tato anatin’ny telo taona latsaka izao dia ny hoe : «fanovana» angamba no lohalisitra amin’izany. Samy niventy an’io daholo ny andaniny sy ny ankilany, ny ankolafy politika rehetra, eny fa hatramin’ny mpitondra fivavahana aza. Ny olon-tsotra ihany koa na eny an-dalambe na any amin’ny toeram-piasana na mandritra ny fivoriam-pianakaviana dia miady hevitra ny momba an’io. Ary misy mihitsy aza ny mifamaly sy miady noho io teny io, Atoa Andry Rajoelina no tena namerimberina an’io teny io fony izy nitari-tolona teny an-kianja, ka hoby sy tehaka mirefodrefotra foana no nandraisan’ireo mpanatrika izany ary samy nafonja ny finoana tamin’izany andro izany fa fotoanan’ny fanovàna tokoa izao ka hatao veloma hatreo ny jadona sy ny tsy rariny ary ny fahasahiranana ara-tsosialy iainana isan’andro. Tsy mbola izany mihitsy anefa ny sary hita amin’izao fotoana. Mbola lafo ihany ny vary sy ny menaka ary ny siramamy, mitombo isa ny jiolahy mitam-piadiana, tsy niova ny fomba fisainan’ny mpanao politika fa dia miady seza sy voninahitra ihany, ary ireo nantenaina fa hendry aza no toa vao miha lasa adalan-toerana. Mora tononina fa sarotra tanterahana tokoa ny hoe tolona, fanovana na revolisionina sy fandrodanana ny jadona ; ary eo foana matetika no mampifandiso ny mpanao politika sy ny vahoaka tarihiny. Iretsy voalohany efa mahalala sy mahafantatra tsara fa ho lavitr’ezaka ny dia, iretsy farany kosa manantena fa vao mirodana ilay fitondrana nambara fa nampahory vahoaka dia hilamina ny fiainana.
Hevi-diso tanteraka anefa izany ary lesona mitoetra any amin’ny aty fanahy satria efa nisy ny 1991 sy ny 2002. Araka ny tenin’ny amiraly Ratsiraka moa dia hoe mora manadino ny Malagasy, manao ririnin-dasa tsy tsaroana ka voarebirebin’ny kabary eny an-kianja. Ity tetezamita ity no hita fa tena itrangana savorovoro sy gidragidra ary fandikan-dalàna be indrindra raha noharina tamin’ny nitranga taorian’ny nirodanan’ny repoblika voalohany sy faharoa, ary efa maro ny maminavina fa haharitra ity tetezamitan-dRajoelina ity ary mety mbola ho maro ihany ny sori-dalana hivoaka eto. Raha ny marina tokoa dia tsy vitan’ny fanovana filoha na fanovana ny laharan’ny repoblika, na fanovana ny firafitry ny fanjakana ny tena fanovana, fa miainga any ifotony dia ny fanovana ny toe-tsaina izany, avy eo miditra amin’ny fandaminana ny rafitry ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny izay vao miampita amin’ny fametrahana soatoavina ho an’ny fanaovana politika mba hamefena ny hadalan’ny mpilalao politika, izay vao tokony hiresaka fifidianana sy asa fampandrosoana, sy ny hafa maro tsy voatanisa.
Misy zavatra goavana tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto matoa miverimberina ny krizy, mila fantatra mazava io fototry ny olana io, raha tsy izany dia fangala-piery sy fifanenjehana fotsiny no atao eto. Tsy vita ao anatin’ny 1 na telo taona izany fanovana izany fa asa maharitra sy mankadiry ary tsy maintsy ifandrimbonan’izay mpitondra mifandimby eo. Enin-taona niezaka ny nanova i Marc Ravalomanana, nisy ny fototra efa nipetraka saingy tsy mbola tonga tamin’ny fenitra nilaina, ka kaontin’ny tsy tafavoaka izy, noho ny lafin-javatra maro, fa mety anisan’ny antony iray goavana ny tsy fahavononan’ny Malagasy mihitsy hiova amin’ny fomba fanaony nahazatra azy hatramin’izay, hany ka niasa irery ilay filoha ary na ny olona akaiky azy aza mety tsy resy lahatra tamin’ny fandarahan’asany akory. Dia ho hita eo indray ny fanovana hoentin-dRajoelina raha mbola izy no ho eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.