Edito

Fanorenana maha very hevitra


  • Talata 22 Septambra 2020

Malaza indray ankehitriny ny resaka fifidianana. Malaza toy ny mahazatra rehefa misy izay resa-pifidianana izay ihany koa ireo karazan-drafitra iangonan’ny

 

tsikera efa an-taonany maro isaky ny misy toy izao tahaka ny CENI sy HCC. Ny malaza fahatelo moa dia ilay mifandraika amin’ity resaka farany voalaza teo ity. Tsy inona io fa ny lalampanorenana. Isaky ny niova repoblika isika dia saika nanova azy io hatrany ihany koa. Nisy fotoana aza toa tsy tena nahandry izany akory. Lasa maha very hevitra ankehitriny ity resaka fanorenana ity. Mampametra-panontaniana mihitsy aza hoe nanorina inona tokoa moa izany ity lalana lazaina lalandava fa nanorina ity? Raha io no lazaina fa nanorina ny rafi-pitondrana iainana eto ankehitriny, moa ve manana fanazavana maha resy lahatra ireo mpitondra fa tena mety ho an’ny fampandrosoam-pirenena izay rafitra ampiharina eto amin’izao fotoana izao izay? Tena manana ny fenitra maha fanorenana azy tokoa ve ity lazaina fa lalampanorenana nefa samy manana ny fandikany azy araka izay mahametimety ny tsirairay ity? Tena nanorina ve sa nandrava ireo efa niorina teto aza? Valalanina ireo mbola miandrandra ny fisandratan’izao firenena izao indray androany rehefa mandinika izany rehetra izany. Ny zava-misy iaraha-mahita anefa dia tsy nisy izay tsy miziriziry ny mbola itoeran’ny fototr’izany ireo mpitondra nifandimby. Samy nanamboamboatra, araka izay nitiavany azy sy mifanaraka amin’ny tombontsoany avy teo ary arakaraky ny fifandimbiasam-pahefana nisy no vao mainka koa nampitombo vaika izany vanovaovana lalana arakarak’izay mampetimpety ny mpitondra izany. Iaraha-mahita ankehitriny ny vokany fa mbola isan’ireo firenena miady ho gisitra eto ambonin’ny tany isika. Enga anie mba tsy ho tara loatra ny fahatongavan-tsaina faobe.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT