Edito

Fanonganam-pifidianana


  • Zoma 21 Aprily 2017

8 volana sisa dia higadona ny taona 2018. Taom-pifidianana, hoy ny filazan’ny vaomiera mpikarakara azy izay.

Ny mahagaga dia manao mivoaka miditra toy ny lelon-jaza ry zareo mitonona dia avy eo tsy mitonona indray ho mpanohitra amin’ny filazana fa manan-tanjona hanongana ny fitondrana mijoro ankehitriny. Raha ampatsiahivina, toy ny nifanaraka mihitsy izy ireo ny fiandohan’iny taona 2016 iny nifaninana nilaza fa efa tsy mety amintsika intsony ny fitondrana ankehitriny. Nisasaka indray anefa ny taona dia saika nilaza daholo fa tsy midika ho fanoherana akory ny fitsikerana. Amin’izao fotoana dia efa mivondrona indray ny mpikatroka politika maro fa handrodana ny fitondrana “mamoa-henatra” saingy ny mahagaga dia tsy misy mpanelingelina izy ireo manao izany. Ny fitondrana moa etsy an-kilany dia toy ny manao fanahiniana mihitsy mamboly sampona isak’izay mihetsika mba tsy hilazana hoe manao sinema. Tena hanongana ny fanjakana izay efa hifarana afaka volana vitsivitsy ve no tanjona sa hanao izay ahafahana milaza fa tsy tomombana ny famatsiana ny fifidianana ho avy ka ilana fanemorana ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT