Edito

Fanonganam-panjakana ihany


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Voateny matetika ankehitriny ny hoe “Vahoaka”, “feon’ny vahoaka”. Tsy ireo olona avo feo sy be feo miantsoantso an-dalambe na be kabary amin’ny haino aman-jerim-panjakana na mamory olona amin’ny kianja malalaka hanaraka azy ihany akory anefa no vahoaka.

Ny vahoaka indrindra dia ireo valala tsy mandady harona mitrongy vao homana, tsy be teny ny maro an’isa, olom-pirenena mpifidy nametraka ny fitokisany tamin’ny alalan’ny fifidianana malalaka ireo olona nitokisany fa hitondra sy hamaly ny hetahetany. Tenenina koa ankehitriny ny hoe averina amin’ny vahoaka ny fitondrana ary aleo ny vahoaka no hifidy izay olona tiany hisolo tena azy. 

Raha tsy misy fihatsarambelatsihy ny famerenana amin’ny vahoaka ny fitondrana dia ny famerenana amin’ny toerany ireo olona nofidiam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana ihany mandra-pahatapitra ny fe-potoana nomena azy ; ary rehefa tapitra izany dia tsy ny olona eny an-dalambe no hitsara azy, fa fifidianana miafina ataon’ny tsirairay hamoahana ny lanin’ny maro an’isa no demokratika indrindra. Raha tsy afaka manohy ny asany kosa anefa ny Filoha, ka mametra-pialanana noho ny antony ara-pahasalamana voamarina araka ny lalàna dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misolo vonjimaika azy ary fifidianana araka ny fe-potoana voatondron’ny lalàmpanorenana no hanendry ny Filoha vaovao.
 
Mandritra izany fe-potoana izany dia mijanona amin’ny toerany ireo olomboafidy hafa, depiote sy senatera ary ireo olomboafidy any amin’ny faritra : lehibem-pokotany, Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, mandra-pahatapitry ny fe-potoana voalazan’ny lalàmpanorenana. Raha tsy izay no mitranga dia fanonganam-panjakana ihany izany.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT