Edito

Fanonganam-panjakana


  • Alakamisy 17 Martsa 2011


Feno roa taona katroka anio 17 martsa, ny namindran’ny filoha Marc Ravalomanana ny fitondrana tamin’ny miaramila, ka nandavan’ireto farany izany, ary namindrana ny fahefana indray tany amin’i Andry Rajoelina. Na dia teo aza ireo olona 6.000 mahery nanao andrimasom-pokonolona andro aman’alina teny amin’ny lapan’Iavoloha dia tsy nahatazona an’Atoa Ravalomanana teo amin’ny fitondrana intsony satria efa maty paika ary voaomana an-taonany ny fanonganana azy. Fitaovana nentina nanatontosana izany i Andry Nirina Rajoelina, izay maro ny nanohana sy natoky azy tamin’izany fotoana, raha ny teto Antananarivo no resahana. Izy rahateo vao nahazo vato ambony dia ambony tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna notanterahana herintaona mahery nialoha io daty io.

Fanambarana tamin’ny haino aman-jery, sy didy hitsivolana no navoaka tamin’izany, ka ny masoivoho Amerikanina niasa teto amintsika tamin’izany fotoana, Niels Marquartd, no naka io taratasy io tany Iavoloha ka nitondra izany teny amin’ny Episcopat Antanimena. Tao no niseho ny karazana savorovoro. Rehefa novakiana ilay taratasy, niaka-pofoana avy hatrany ireo miaramilan’ny Capsat notarihan-dry kolonely André Ndriarijaona sy Noël Rakotonandrasana. Niavaka moa ny fihetsiky ny komandà Charles Andrianasoavina izay namahana basy avy hatrany, ary nilaza fa tsy misy an’izany fametrahana “Directoire Militaire” izany eto. Mbola ity manamboninahitra ity ihany no nanapa-kevitra tamin’io andro io ihany fa hosamborina avokoa ireo irak’Ingahy Ravalomanana tonga teny amin’ny Episcopat. Voatonontonona tao i Ivohasina Razafimahefa, saingy efa tsy tonga teny intsony ity farany, koa dia ny filohan’ny FJKM ny pastera Lala Rasendrahasina no voasambotra sy niharan’ny gidragidra tao. Nivoaka ny trano haingana ary niala bala i Norbert Lala Ratsirahonana, minitra vitsy taorian’ny nampiritondrintona an’i Andry Rajoelina sy nandaozany ny toeram-pivoriana ihany koa. Nihazakazaka ny toe-draharaha nanomboka teo, ary niparitaka tetsy sy teroa, eny fa hatrany ivelany fa nametra-pialana ary lasa nitsoaka ny filoha Ravalomanana. Ny alin’io ihany dia nisy ny fanambarana teny amin’ny tobin’ny Capsat Soanierana nataon’ireo manamboninahitra nandà ny handray ny fahefana, izay nilaza fa afindra amin’i Andry Rajoelina ny fahefana rehetra ary izy no filoha manomboka izao.

Efa afa-tahotra ihany koa ka hita teny an-dakazerina eny Soanierana Atoa Ratsirahonana, izy irery no sivily tazan’ny mpanao gazety teny, ary araka ny resaka nandeha tamin’izany fotoana dia izy no nanoratra fanambarana vaovao novakian’ireo manamboninahitra teny amin’ny Capsat ireo. Na ahoana na ahoana nambara dia nazava ny resaka teto fa fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana sy ny taratasy no natao tamin’io 17 martsa 2009 io, ary na ny sehatra iraisam-pirenena aza dia nanameloka avy hatrany izany. Niova tanteraka ny tantaram-pirenena nanomboka teo ary dia zavatra hafa mihitsy no niainan’ny Malagasy. Nanomboka teo ny fanenjehana sy fisamborana ireo rehetra nambara fa niaraka tamin’ny fitondrana teo aloha, ka nisantatra izany ireo parlemantera efa-dahy avy any Vakinankaratra, ary nambara fa terôrista sy mpanapoaka baomba, mbola mitohy mandrak’ankehitriny moa izany.

Ny tsapan’ny maro dia na migadra na mamadika palitao ka mahazo seza ao anatin’ny tetezamita ireo mpanao politika niara-dalana tamin’Atoa Marc Ravalomanana. Ary na ireo miaramila nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana ireny ihany koa aza dia efa misy any am-ponja ankehitriny. Tsy mbola tena namaha ny olan’ny firenena hatramin’izao ireo fivoriana sy dinika tetsy sy teroa, ary tsy vahaolana ny fanendrena sy fanesorana tompon’andraiki-panjakana ambony. Na dia efa samy niezaka, araka ny nambarany aza ireo mpanao politika dia tsy mbola ampy mihitsy ny fandeferan’izy ireo sy ny fanandratany ho avo ny tombontsoa iombonana matoa mbola mitoetra ny krizy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT