Edito

Fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena Tena tsy misy ny mangarahara......


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Teny nomen’ny filoham-pirenena ny hanadiovana ireo karazana fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko tamin’ny kabary voalohany nataony ny 25 janoary 2014. Tsy hita taratra anefa hatramin’izao ny fanjakana tan-dalàna nampanantenain’ny filoha ........

Rajaonarimampianina Hery, hoy ny fivoriamben’ny Alliance Voahary Gasy izay nanavao ireo mpikambana vaovao 7 mandrafitra ny Filan-kevi-pitantanana hiasa mandritra ny 2 taona manaraka ka Atoa Ndranto Razakamanarina no filoha mitarika azy.  Notsindrian’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena 26 amin’ny 29 nanatrika ny fihaonana fanao isan-taona ny tsy fisian’ny fampiharana tena izy ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena. Ankoatra ny tsy fahasahian’ny mpitondra mandray andraikitra moa dia misy tombontsoa mifaningotra ao anatin’ireo raharaha fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena, raha ny fahitan’ireo mpikambana ao amin’ny AVG azy. Nandefa hafatra ho an’ny filohan’ny Repoblika dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fitantanana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fanapahan-kevitra raisina momba ity sehatra goavana ity ny fivoriamben’ny Alliance Voahary Gasy. Momba ny fanafoanana ny «comité de pilotage» ka nananganana ny «comité inter-ministériel» indray dia porofo iray tsy hivoahan’ny mangarahara izany satria lasa raharahan-tokantranon’ny mpitondra irery sisa ny ao, araka ny fijerin’ireo mpikambana azy. Mankalaza ny faha-5 taona nijoroany moa ankehitriny ny Alliance Voahary Gasy izay niorina ny volana novambra 2009.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT