Edito

Fanombohan’ny faharavana


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Toe-javatra isan’ny nanamarika ny andro omaly ilay raharaha mahakasika ny Tale Jeneralin’ny serasera teo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, izay nametra-pialana.

 

Misy ny mpandinika maneho eo anatrehan’ny toe-javatra tahaka ireny, fa fanombohan’ny faharavan’ny fitondrana ireny. Asa aloha izay ho fahamarinana, fa ny lesona azo tsoahina sy tsy azo lavina dia ny hoe: misy fetrany ny fahefana, ary tsy maharitra mandrakizay. Mandalo ihany io, mety tsy haharo amin’ny fotoana rehetra ary mety ho sendra ny mena noho ny mena ihany koa indraindray. Mety afaka ny hizahozaho anio, mety ho tsy ho azo hozongozinina amin’ny toerana, mety hisetrasetra mihitsy ao anaty fanjakana ao, saingy tsy ho eo mandrakizay. Ny mahery tsy maody tsy ela velona, hoy ilay fitenin-drazantsika, saingy toa tsy mba misy ny fakana lesona tamin’ny zava-misy hatramin’izay. Hetraketraka, fizahozahoana, fihantsiana ady no isan’ny manamarika ny fihetsiky ny mpitondra eto amintsika amin’izao fotoana izao. Toa fady izany hiaiky ny fahadisoana izany, toa fatratra ny fahatokisan-tena fa tsy mba ho tratry ny aloka,… kanefa tsy ho mandrakizay io fahefana io. Iaraha-mahalala sy iaraha-maheno ny fanadihadiana samihafa, fa manao fahadisoana ara-politika ny fitondram-panjakana, saingy tsy te hahalala izany. Mbola lavitry ny kitay ny afo eto Madagasikara amin’ilay hoe: miainga avy any ambony ny ohatra. Toa tsy misy fahitsiana (integrité), tsy misy fitazonana ny tena nomena sy fanajana ny hasin’ilay fitondrana sy ny lalàna mifehy azy akory (loyauté), fa toa hafa no lazaina anio dia hafa raharampitso. Misavoritaka ny fitantanana ny firenena, manondrana ny manam-pahefana,… izay hitarika makany amin’ny faharavana raha mbola ny fiheverena ny tena ho tsy maty manota no mahazo laka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT