Edito

Fankatoavana vonjimaika


  • Talata 27 Septambra 2011

Tsy dia nahoraka firy ny dian’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina tany ivelany, na ny tany New York izany na ny tany Parisy.

 Somary nangingina ihany koa moa ny lafiny serasera. Fa mety ho antony tsy nampiraika ny olona ihany koa ny mbola fitarazohan’ny krizy sy ny fahatsapana fa tena variana amin’ny fihetsiketsehana ivelany ny FAT saingy tsy mahita ny tena vahaolana hivoahana amin’ny krizy akory. Efa mba nisinisy ihany mantsy izay fivoahana tany ivelany nataon’Atoa Andry Nirina Rajoelina izay na taty Afrika izany, na tany Azia sy Eoropa ary Etazonia saingy ny teo ihany no teo, tsy mivaha ny krizy, tsy vita ny fifidianana ary miha mahantra ny Malagasy. Etsy andanin’izay anefa dia miha bolangina sy mamoaka fiara isaky ny mihetsika ny ankamaroan’ny mpitondra sy ireo mpanao politika, ary zovy no tsy mahalala fa efa miomana amin’izay fifidianana ho avy izy ireo ka miroboka amin’ny asa sosialy, hono, dia mizara fanomezana etsy sy eroa.

Azo antoka fa hipoapoaka indray ny fanambaran’ny filohan’ny FAT amin’ny fahatongavany eny Ivato ka hilaza fa efa vonona hanampy antsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary efa ara-dalàna ny tetezamita mijoro eto. Tsy maintsy hodokafana kely fa hoe afaka nikabary tao amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana. Dia hanao ranolava koa avy eo ny fipasohana ny efa malama ataon’ireo mpanohana azy, ka holazaina fa efa nahazo fankatoavana ny fitondrana tetezamita ary tafaverina amin’ny toerana tokony hisy azy i Madagasikara. Tsara homarihana fa taorian’ilay «controle des pouvoirs» nataon’ny Firenena Mikambana tamin’ny fiandohan’ity taona ity no nametrahana fa Atoa Andry Rajoelina no afaka misolotena an’i Madagasikara any amin’ireo fivoriana iraisam-pirenena karakarain’ny Firenena Mikambana hatramin’ity volana septambra ity. Rariny loatra io fanapahan-kevitra io satria efa hatramin’ny 2009 isika no tsy niatrika fivoriana.

Tsy dia misy zava-mahagaga anefa izany na tokony hampibitaka ny FAT satria efa fomban-javatra ihany. Tsy hoe nampiatoana tsy ho mpikambana tao amin’ny Firenena Mikambana akory i Madagasikara, ary ireo maro an’isa tamin’ny mpivory mihitsy no tsy nanaiky ny hikabarian’ny lehiben’ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 ka dia iny naha afabaraka ny filohan’ny FAT iny. Fankatoavana vonjimaika no azon’i Andry Rajoelina teo ary miankina betsaka amin’ny fampiharana ilay sori-dalana ny tohiny. Tokony hivoaka ireo gadra politika, afaka mody malalaka an-tanindrazana ireo sesitany, mijoro ny tetezamita iaraha-mitantana ary manaiky mizara seza fa tsy midongy toerana ny FAT. Raha tanteraka ireo dia hilamina ny raharaha, fa raha sanatria mbola miziriziry ihany ny FAT dia ho raharaha ny hitranga eto satria hitombo ny fahasahiranana ary hiteraka savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina izany. Misy dikany ara-politika ny fihaonan’ny filohan’ny FAT amin’ireo tompon’andraikitra any ivelany saingy tsy midika velively hoe hanaiky izay nofinofin’ny FAT ny sehatra iraisam-pirenena.

 

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT