Edito

Fanjanahana manara-penitra


  • Alarobia 29 Jona 2016

Mijanona eo amin’ny resaka fisavana trano ihany aloha hatramin’izao ny tohin’ny raharaha baomba nipoaka teny Mahamasina tamin’ny harivan’ny 26 jona.


 Tsy misy vaovao tena matotra avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitondram-panjakana, hoe efa misy olona ahiahiana ve fa dia noboriboriana tamin’ny hoe asa fampihorohoroana misy ambadika politika ilay resaka. Nangina tsy nandrenesam-peo ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana, ny lefitra na mpisolo toerana no hahazoam-baovao, tsy hita popoka nanao fanambarana mipoapoaka tahaka ny fanaony ny jeneraly Florens. An-kilan’izay manomboka mahalasa saina ny rodorodon’ny sehatra iraisam-pirenena nanameloka iny tranga iny sy ny voambolana nampiasaina namaritana azy dia ny hoe : « attentat » na asa fampihorohoroana, teny fampiasa any Irak, Libye, Syrie, Gaza, Frantsa, Etazonia rehefa misy tranga famonoan’olona faobe. Milaza fa manohana an’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny fitoniana ny GIS-M na Groupe International de soutient pour Madagascar, izay nipoitra tampoka indray rehefa tsy nandrenesam-peo tao anatin’ny roa taona sy tapany. Izay iray alehany na hofoanana ireo fihaonana iraisam-pirenena roa hotanterahana eto na ho raikitra ihany fa ho avy eto ny tafika vahiny hanampy ny Malagasy. Ary raha sanatria mbola misy ihany ny asa fampihorohoroana mitranga dia hitombo hatrany ireo miaramila sy mpitandro ny filaminana vahiny ho avy eto, dia izay ilay hoe fanjanahana manara-penitra tahaka an’io manjo an’i Irak sy Siria ary Libia amin’izao fotoana io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT