Edito

Fanjakan’ny maizina !


  • Talata 21 Novambra 2017

Maizina sy tsy misy mangaraharaha ny fomba fitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao, fa saika ny fifanarahana maloto eo amin’ny mpitondra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy no hampanjakaina eto.


Milaza fa tsy hampiditra mpitsoa-ponenanana eto Madagasikara velively saingy io iaraha-mahita io ny zava-miseho, ary efa tonga eto izany vao sanganehana ny rehetra. Lazaina hiaro toy ny anakandriamaso ny tanindrazana, saingy efa tonga ny sinoa sy ny karana mandroaka ny Malagasy eo amin’ny tanin’ny tena, vao taitra ny rehetra hoe inona ity ? Ny vidim-piainana moa manginy fotsiny ny fidangany, raha tsy hilaza afatsy ny fidim-bary, izay iza no mahita na fiarovana ny tombotsoan’olom-bitsy mpandraharaha matanjaka akaiky ny fanjakana no ambadik’izao, fa sinema no betsaka. Inona no tsy hanafaran’ny fanjakana vary mivantana raha tena mitsinjo vahoaka ? Toa tahotra ireo olobe mpanefoefo mpiray afera amin’ny fitondrana no anton’izany. Mankaiza sy natao inona avokoa ireo volabe azo tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena noho ny fisian’ny valan’aretina pesta ? Volam-panjakana sa vola manokana no hampiasain’ny filoha amin’ity fizaran-javatra etsy sy eroa hambaboana ny Malagasy hifidy ny mpitondra mampigoka mangidy azy ity ? Tsy misy mazava amin’ny Malagasy ny zava-drehetra, fa dia kobokobonin-dava ao, ka tsy atao mahagaga raha « fanjakan’ny maizina » no hanasokajian’ny maro ny fanjakana HVM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT