Raikitra ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra.
Manomboka izany ny baolina tena izy, raha toa ka efa hatry ny ela no nakotroka ny baolina politika eto amin’ny firenena. Ny efa resy sy niankohoka tamin’ny tany dia nomen’ny mpitsara herijika indray fa hasiana fizaram-potoana fahatelo, ary ny mpilalao efa nahazo karatra mena indray no lolohavina an-tampon’ny loha sy tompotompoina. Aiza ve ka filoha efa nambara sy nohamarinina izao fa nanitsaka lalàmpanorenana, dia mbola natao tsara aro tamina didim-pitsarana sadasada. Mba mandry ve izao ny eritreritry ny mpikamban’ny HCC eo anatrehan’ny fanakianana sesilany samihafa mahazo azy ? Mavesatra tokoa angamba ny tsindry ary notandindonin-doza hatramin’ny aina, ka tsy manan-tsafidy fa aleo ny firenena sy ny vahoaka ao aminy no terena hisotro ny rano tsy tiana… Inona intsony moa izany ny fifampitokisana hiseho eto, taorian’ireny efa filazana fa nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana ireny kanefa mbola homena vahana mbola handidy sy hanapaka eto amin’ny tany ama-monina ? Raha hampifandraisina amina ohatra hafa dia ny jiolahy sy ny mpanolana efa tokony helohina higadra indray no homena vahana sy hasaina mandidy sy manapaka eo amin’ny fiarahamonina. Izany ve tsy efa fampidirana any amin’ny fanjakan’i Sodoma sy Gomoro ? Miampita ny leson-dratsy, ka zary samy manao izay saim-patany satria ny vahoaka tokony hotezaina sy tarihina hanaja lalàna aza, toa volena ao an-tsaina sy terena hoekeny fa azo atao tsara ny mampanjaka ny tsy maty manota. Vitavita ho azy hatrany e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.