Edito

Fanjakana mpanararao-paty


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Tsy maharototra ny fanjakana ankehitriny izany fahoriam-bahoaka efa mby an-tendakely izany, fa ny ataony ihany no ataony. Sesilany ny asan-jiolahy, faty olona, lozam-pifamoivoizana, fahantrana,…


 saingy henoy izany ry hazon-damosiko no tena setrin’ireny, fa ny seza ahiana ho very ny mampiasa ny sainy. Ny fampanantenana no betsaka, fa izay tena fandraisan’andraikitra aloha, dia tsizarizary na misy ihany fa feno fihatsarambelatsihy. Toa fananararaotam-paty amin’ny fahorian’ny Malagasy aza no betsaka, ka amin’ireny fahoriana na fahasahiranana ireny no fotoana hararaotina hanaovana propagandy. Mby aiza izao ny tohin’ilay vary 4000 taonina avy amin’ny fanjakana sinoa nireharehana fatratra fa hamahana ny olam-bahoaka ? Mba tena nandeha araka ny tokony ho izy ve ny fitsinjarana na fizarana, izay tsy nampahafantarina mazava ? Sarimihetsika no betsaka satria efa mivoaka ny vaovao, fa namidy sy nakana tombony, ka zary bizin’ny mpitondra. Ny vahoaka rehefa mahantra sy malemy satria noana dia tsy afaka ny hanao na inona na inona eo anatrehan’ny mpitondra manao revin-gadra, toy ny miseho eto ankehitriny. Hatao izay hamparefo ny Malagasy hahafahana mambabo mora foana ny fony amin’ny andro iray ilàn’ny mpitondra azy. Tambazana sy tapohina zavatra kely tsy mankaiza, dia velom-pisaorana sy manadino ny fahotan’ny fanjakana efa nanosihosy azy satria efa milomano tanteraka anaty fahantrana sy fahoriana, ka zara aza misy manolotolotra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT