Mivadibadi-dela lava ny fanjakana Rajaonarimampianina amin’ity raharaha mahasaringotra ny mpanolotsain’ny filoha ity.
Ny hita aloha dia fatra-piaro ny tsy ara-dalàna sy ny tsimatimanota ny fanjakana, ary mitongilana any amin’ny olony, kanefa miezaka ny tsy te haloto ihany koa. Efa hitam-poko hitam-pirenena ny hevi-dravina sy ny kajy maloto, hany ka mivadibadi-dela isak’izay miteny, ary dia voafatotry ny teny nambara matetika. Nilaza tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ny mpitondra fa tsy raharaham-panjakana io fa toy ny raharaham-pitsarana rehetra. Inona no mampiaka-pofona ny praiminisitra Mahafaly Olivier, ka hitsabatsabahana amin’ny raharaha sy hanaovany fanambarana ofisialy ary hampihorohoroana ny mpitsara manao ny asany amin’ny maha raharaham-pitsarana azy io ? Inona no hanaovana ramatahora sy hanasoketana olona ho manao asa fanakorontanana, ka ambara fa hohenjehina amin’ny fitsarana ? Tsy mipitika any akory ny afo dia efa mikorapaka. Raha mahatsapa tena ho olo-marina ny praiminisitra sy ny namany ary i Claudine Razaimamonjy dia mamela ny fitsarana hanao ny asany, fa tsy hitsabaka sy manao tsindry isan-karazany tahaka izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.