Edito

Fanjakana mihosin-dra!


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Taorian’ny faty olona tamin’ny fanjanahatany, dia tamin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity no nisian’ny aina Malagasy maty sy ripaka be indrindra.

 Vao nandray fahefana I Hery Rajaonarimampianina ny 25 janoary 2014, dia efa ra mandriaka sy faty olona no nanombohana izany. Nisesisesy nanomboka teo ny faty olona etsy sy eroa, fitsarambahoaka saika nanerana ny nosy, haintrano mahatsiravina, lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona am-polony maro,… Manginy fotsiny ireo matin’ny fahantrana ara-bakiteny. Toa vitavita ho azy ireny zava-doza tsy roa aman-tany ireny, raha tsy hilaza afatsy ny raharaha 26 jona 2016, Antsakabary, ny loza tany Anjozorobe,… Tsy hay ihany koa izay hiafaran’io raharaha tany Ankazobe io. Seho ivelany sy toa fiheboheboana na famendrofendroana aza indraindray no ataon’ny fanjakana manoloana ireny toe-javatra ireny satria mbola maahavita miliba ao anatin’ny efa fahoriana sy fahantran’ny Malagasy. Fialana bala sy fanilihana andraikitra any amin’ireo mpitondra teo aloha no tena angadin’ny mpitondra, ka matetika I Hery Rajaonarimampianina no nilaza fa firenena avy nandalo krizy no noraisiny. Tsy te ho tompon’andraikitra amin’ny famotehana nataony ny fanjakana HVM, ary mbola mirehareha ho mahavita sy mahafehy ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Ekena fa misy ny fitokatokanan-javatra tsindraindray, saingy natao ho fihantsiana ny hafa sy hitsoahana ny menomenon’ny vahoaka efa leo fanjakana mpanao kolikoly sy tompondakan’ny jadona kanefa mbola mitady hibodo fahefana izany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT