Edito

Fanjakana miala aina !


  • Zoma 31 Martsa 2017

Roso mankany amin’ny fitakiana ny demokrasia isika izao. Hatreto, resabe no nataon’ireo mpitondra fa tsy mba nisy ny fahalalahana, indrindra fa tamin’ity fitondrana ity.

Izay miteny dia amoahana didy fampisamborana sy gadraina. Ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao moa dia nofy tanteraka. Natao an-terisetra ny lalàna izay miendrika fanakantsakanana ny fanehoan-kevitra sy ny fampahalalam-baovao. Giazana ho an’ny mpitondra samirery ny radio sy ny televizionim-panjakana. Afaka manangana orinasan-tserasera handokafana ny mpitondra avokoa izay manana vola azo ampiasaina amin’izany. Ny hafa kosa anaovana antsojay sy sakanana ka eny an-kianja sisa no hifampitana vaovao noho ny didin’ny be sandry tsy mahazaka fifaninanana ka jamban’ny tahotra ny ho takona sy tsy hisy mpanaraka ara-poto-kevitra. Fa fanjakana inona loatra ity mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka ity e ? Raha mahatoky tena dia mamela malalaka ny rehetra. Sao dia fanjakana miala aina ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT