Edito

Fanjakana mampiahiahy


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Voamarina izao fa tena misy tokoa ny fifandiran-kevitra eo amin’ny smy mpanolotsaina ny filoham-pirenena, voaporofo ihany koa fa tenamisy ilay fikonokononana fitsipaham-pitokisana ny governemanta, ary azo antoka fa tsy hanaiky lembenana ka hiala moramora foana eo amin’ny toerany ny praiminsitra na dia efa misy miketrika an’izany aza ao ambonimbony aho

Tsy milamina ny firenena satria ny mitondra mihitsy no tsy milamina, mampiahiahy ity ady an-gazety sy amin’ny filazam-baovao ataon’ny samy mpitondra fanjakana ity.Porofo izany fa efa tsy afaka mifampiresaka mivantana intsony ry zareo ao ambonimbony ao, samy mananany ekipany, da io samy miezaka manao ny seraserany io.Maivana be ary tena tsy mety ny serasera ataon’ny fitondram-panjakana eto Madagasikara satria samy maka ho azy, izay no mahatonga ny honohono sy ny siosion-dresaka mahazo laka, ny anakamaroan’ireo tompon’andraikitra ambony rahateo moa malaina ny hanome fanampim-baovao, ary mis mihitsy ny tsy tia miresaka amin’ny mpanao gazety.Mampatahotra, mampiahiahy ity fanjakana ity, tsy misy asa mirindra fa dia samy manao izay maha diavolana ny fony ireo manampahefana.dia io fa mailo ny vahiny mpiara-miasa amintsika, tsy mbola sy ny famatsiam-bola mivantana avy any ivelany azon’i Madagasikara hatramin’izao, fampanantenana no betsaka.Tahaka ny hoe mbola fitondrana tetezamita ihany isika amin’izao fotoana rah aio resaka famatsiam-bola io no jerena.Averina eto ihany ary ilay fanamarihana :inona moa izany no azo antenaina amin’ny fitondrana mivaralila tahaka izany e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT