Edito

Fanjakana inona loatra ity?


  • Zoma 21 Jolay 2017

Mahavalalanina ny fomba fiasa sy ny resaka fampiharana lalàna eto amin’ny firenena. Tanteraka ara-bakiteny ny fomba fiteny hoe tatavanina ny moka fa atelina ny rameva.

Midingin-drambo ery ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana. Henjana, ohatra, ny fepetra sy ny lalàna hampiharina amin’ny resaka fanaovana fanamiana mitovy endrika amin’ny azy, ka na ny fanaovana horonantsary aza tsy maintsy hahazoana alalàna. Matanjaka sy mirantiranty ny fitaovam-piadiana raitra sy harifomba rehefa hirahin’ny fanjakana hanao famoretana ara-politika. Minia jamba sy tsy te hahalala kosa manoloana ny fahotana mahafaty eto amin’ny firenena. Aiza izay mba fampiharan-dalàna amin’ny resaka kolikoly avo lenta tsy tambo isaina? Aiza ho aiza izao ny raharaha Claudine Razaimamonjy? Mba manao ahoana ny tohin’ny raharaha 26 jona 2016? Mba ahitam-pahombiazana ve ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana manoloana ny firongatry ny faty olona etsy sy eroa? Mila voatsiary sy manangam-bovona amin’ny zavatra tsy misy dikany ny mpitondra, fa jamba sy mody adala amin’ny tokony handraisana andraikitra. Tsy hay intsony izay hanasokajiana azy hoe fanjakan’adala sa fanjakan-jolahy sa efa fanjakan-demony mihitsy? Mba rahoviana vao tena hisy zavatra handeha amin’ny laoniny eto e?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT