Edito

Fanjakana androrosy


  • Alakamisy 29 Janoary 2015

Mitady 100 miliara Ariary ny governemanta hanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Chedza sy hanarenana ny simba. Nampiasaina ny voin-kava-mahatratra mba hanetsika ny fon’ny Malagasy, indrindra ny iraisam-pirenena, mba halala-tanana hanome fanampiana


. Zovy tokoa moa no tsy hiombon’alahelo manoloana ny fahavoazana sy fahoriana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana, fa ity fanaovan’ny fanjakana androrosy ity no mampametra-panontaniana ihany. Enga anie mba ho iny Chedza iny ihany no rivodaza nandalo ka namela takaitra teto Madagasikara amin’ity taona ity. Fa raha sanatria mbola misy hafa, isika rahateo nosy, asa inona no hatao ?  Ny tena mpitondra, hono, dia mitsinjo lavitra. Nosy tsy afa-bela amin’ny rivodoza isan-taona i Madagasikara, ka tokony ho nivonona tamin’izany. Nankaiza avokoa ireo vola avy amin’ny andramena, volamena mivoaka any ivelany any ? Nankaiza ihany koa ny vola vidin’ny fiaramanidina “Force One II” sy ny azo tamin’ny fitrandrahana vy tany Soalala … no tsy mba nisy tahiry hatao tsinjolavitra fiatrehana loza, no voatery hangataka fanampiana hatrany amin’ny 100 lavitrisa sa efa fanjakana androrosy mihitsy no misy eto, mangataka lava.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT