Edito

Fanjakan’ny tsy maty manota


  • Zoma 11 Novambra 2016

Mbola hisy sahy hiteny ihany ve eto amin’ity firenena fa tany tan-dalŕna i Madagasikara ? Ambetin-tenin’ny mpitondra ny hoe hajao ny ny lalŕna fa tany tan-dalŕna i Madagasikara.


 Matetika lazaina io rehefa any amin’ny resaka fiarovan-tseza sy amin’ny hetsika mety hampiozongozona ny mpitondra amin’ny toerany. Matetika dia re foana ny hoe : hajao ny lalàmpanorenana, hajao ny lamina demokratika … Midika izany fa any amin’ny tombontsoan’izy ireo ihany no ilana ny lalàna. Miainga any amin’ny rafi-panjakana faratampony ny tsy fanarahan-dalàna ankehitriny ary ny mpitondra dia lasa fitaratra sy mpanome lesona ratsy avokoa. Ny minisitra no manome baiko ny mpitandro ny filaminana amin’ny andro alina hamaky toby fanagiazana fiara tsy manara-dalàna. Ny miaramila mandeha manafika toerana stratejika sy miaro ny olona mpandika lalàna. Ny tale kabinetran’ny minisitra voarohirohy amin’ny fanodinkodinana volabe, ny manamboninahitra ambony eny anivon’ny zandarimaria voahenjika noho ny resaka kolikoly. Ny olona akaiky ny filoha malaza ratsy amina afera maloto … Ireo tokony halaina tahaka rehetra no lasa mpanome lesona ratsy sy lasa fahavalon’ny firenena ka mbola azo hinoana ve ny haha tany tan-dalàna an’i Madagasikara ? Mila revolisionina goavana isika ary tokony hanao dingana lehibe raha te handroso sy handresy ireo tsy maty manota e !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT