Hitsefotra indray sa mba hahomby ny hetsika politika voalaza fa hoenti-mandrodana an-dRajaonarimampianina sy ny forongony ato ho ato ?
Ny vahoaka Malagasy iray manontolo no efa tofoka sy leo amin’ny fomba fitantanana ny firenena ankehitriny saingy toa malailay fonosana amin’ny fandrodanana noho ny antony maro samihafa. Eo aloha ny tsy faharesen-dahatra amin’ireo olona mijoro hitarika izay tokony hampandini-tena ireo mpanao politika hoe fa nahoana no tsy misy mpanaraka izy ireo ? Misy toetra amam-pihetsika na fomba fiaina tokony hovana matoa ny olona tsy resy lahatra. Eo ihany koa ny fahasahiranan’ny vahoaka noho ny fahantrana lalina ka tsy manam-potoana hisainana izany resa-politika izany intsony. Izay fahalemen’ny mpanao politika sy ny fahantran’ny vahoaka izay no hararaotin’ny mpitondra ka tsy mampiraika azy ireo ny fanehoan-kevitra isan-karazany izay tokony ho arofanina ho an’ny fanjakana. Zary lasa antso an’efitra ny antso vonjin’ny Malagasy fa ny ataon’ny mpitondra ihany no ataony. Tazanim-potsiny, ohatra, ny olana ara-tsosialy toy ny resaka fahatapahan-jiro izay tsy ahitana vahaolana hatramin’izao kanefa ny mpitondra mahavita mandany volabe tsy am-pisainana amina zavatra hafa tsy mitondra mankaiza.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.