Edito

Fanjakan地y maizina !


  • Zoma 25 Novambra 2016

Lavitry ny kitay ny afo amin地y hisian地y mangarahara eto amin地y firenena ato ho ato. Maizina amin地y vahoaka ny zava-drehetra, ka tsy atao mahagaga raha 吐anjakan地y maizina� no hiantsoan地y besinimaro ny fanjakana ankehitriny.


 Tsy resahina intsony ny tany aloha fa ny frankofonia indray izao no maresaka, ary miha mazava tsikelikely ny ambadika maloto sy ny fitiavan-tenan’ny mpitondra, izay toa manao sarimihetsika sy mihevitra ny vahoaka ho bado. Resahina foana fa tombontsoam-pirenena no tandrovina ao anatin’io fihaonana io. Ekena tokoa fa voninahitra ho an’ny tanindrazantsika izany. Tsy azo lavina fa misy ihany ny Malagasy mahazo tombontsoa na dia iviny kely aza fa ny ankamaroany dia mijanona ho mpitazana sy tsy mahalala izay ambonin’ny tany. Mipoitra tsikelikely ny marina satria kolikoly, kitranoantrano, hosoka no betsaka fa tsy misy fangaraharana. Olom-bitsy ao anatin’ny fitondrana no migoka ny tombontsoa isan-karazany. Ny 62% tamin’ny tolo-barotra izay manodidina ny 26 miliara no ahiana ho nisy kolikoly, ny 54 tamin’ireo 107 tamin’ireo asa fanamboarana fotodrafitrasa no voalaza fa tsy nisy tolo-barotra ara-dalàna fa nofihinin’ny mpitondra ho azy ireo samirery. Ny avo ihany no tovanana fa ny maro an’isa dia haetry hatrany. Malaza indray izao fa nahazo 65 miliara dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena i Madagasikara. Mba hisy akony ara-tsosialy ve izany ? Sao dia efa fotoana hifohazana izao ? Sa kosa hanaiky ho jamba sy pahana lava ao anatin’ny fanjakan’ny maizina eto foana isika e ?

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho窶ヲ
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin窶冢y Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT