Edito

Fanjakan’ny dahalo


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Nisy indray ny andian-dahalo efa ho 100 lahy nanafika tanŕna tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy ary ny tena raharaha dia notafihan’izy ireo ny tobin’ny zandray ka lasa ny basy sy ny bala.

 

Nialoha izao dia efa nisy ny dahalo nitifitra ny elikopteran’ny tafika, nisy ihany koa ireo andiana miaramila maty notifirin’ny dahalo. Midika izany fa efa tena manana fahasahiana goavana ny malaso eto amintsika ka sahy mifanandrina tsara mihitsy amin’ny miaramila, ary ny tena loza dia mitombo izany ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireto olon-dratsy ireto. Averina eto ihany fa misy lehibe mitarika sy mibaiko ary manome vaovao ny dahalo eto amintsika, ary efa voarindra mialoha ny zavatra ataony fa tsy hoe atao maimaika. Ady roa no tsy maintsy atao raha hamongotra ny asan-dahalo dia ny ady amin’ny dahalo mpangalatr’omby sy mpandrava tanàna ary ny ady amin’ireo dahalo ambony latabatra. Tena misy ireo dahalo manao palitao ireo, ary mahay mifampiaro ry zareo. Raha tena sahy ny mpitondra fanjakana no sady manana paikady matotra dia tsy azo atao tsara ny miady amin’izy ireo. Raha mbola matahotahotra sy voavidim-bola, mora handairan’ny kolikoly anefa dia mbola lavitry ny afo ny kitay amin’ity famongorana ny asan-dahalo ity ary maha ratsy eritreritra mihitsy hoe :mety ho avy eto ihany ny kandida filoham-pirenena hotohanan’ny dahalo atsy ho atsy a !


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT