Edito

Fanjakan’ny akamakama


  • Alatsinainy 11 Aprily 2016

Azo hanaporofoana ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana HVM ny fanendrena praiminisitra fanintelony tato anatin’ny roa taona sy efa-bolana nitondrany ny firenena.


Ary efa mampanahy sahady aza ny hoavin’ity praiminisitra voavao ity satria adihevitra be tsy mety vita ny fomba nanendrena azy, tsy resahana intsony ny fomba nialana na nanesorana ilay praiminisitra teo aloha. Tena mahamenatra fa na ny olon-tsotra aza dia nahatakatra fa misy daka tsy hita maso tao ambadik’ilay fialan’ny praiminisitra Ravelonarivo, ary ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia mahita fa niala tao anatina savorovoro ity praiminisitra jeneraly ity. Tena sary ratsy ho an’i Madagasikara izany ary toa vao miha poizina vaovao handentika ny firenena indray. Tsy sanatria fanamaivanana na fanambaniana ny praiminisitra vaovao Solonandrasana Mahafaly Olivier fa efa misimisy ihany angom-baovao azo momba ny tsy fahaizany mifandray aman’olona, ary raha eo amin’ny resaka fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia latsaka ambany dia ambany ny naotin’ity praiminsitra vaovao ity. Mampanontany tena ihany ny fepetra sy masontsivana nisafidianan’ny filoham-pirenena ity praiminisitra ity : ny naha minisitry ny atitany azy teo aloha ve ? Ny maha HVM mafana fo azy ve ? Ny maha namana akaikin’ny filoham-pirenena mivady azy ve ? Ny maha zanaky ny faritra Sofia azy ve ? Tsy misy maniry ratsy ho an’ny firenena fa raha izao sary mipoitra izao kosa aloha dia efa mazava fa fanohanana ny fifidianana amin’ny 2018 e ! Asa indray izay hanjo an-dRamalagasy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT