Edito

Fanjakan’ny akamakama


  • Sabotsy 19 Martsa 2016

Efa tena voavaly ilay fanontaniana hoe : fa nahoana no tsy mahatoky antsika ny mpiara-miasa sy ny mpamatsy vola avy any ivelany ?

Be afera loatra ny mpitondra HVM amin’izao fotoana ary tena fanjakan’ny fianakaviana sy ny akamakama no misy, tapitra mampiditra ny iray tampo na ny fianakaviana sy ny fianakaviam-badiny ny manampahefana mitondra an’i Madagasikara amin’izao fotoana, ary tena tsy miafina, tsy mahalala menatra fa dia manao izay maha diavolana ny fon’izy ireo mihitsy ry zareo e ! Tena zava-doza ho an’ny firenena anefa io satria  mazava be fa mandeha ny afera ary tena maro be ny olona tsy manana ny fahaizana sy ny traikefa no apetraka amina toerana saropady. Inona no asa fampandrosoana antenaina fa hisy amin’izany, ary raha atao aza angamba ny fitsirihana tampoka amin’ny kaontim-bola any amin’ireny minisitera sy sampandraharaham-panjakana ireny dia asa fotsiny ny zavatra ho hita ao. Fa izany hoe efa tafapetraka moa ilay tambajotra dia tsy misy intsony ny fanaraha-maso hentitra fa efa samy mpinamana daholo. Asa aloha raha mbola ho avotra ihany na tsia, manana ny fahasahiana hanova io fanjakan’ny akamakama io ve ny filoham-pirenena kanefa ny fianakaviany akaiky aza voatonona amina afera maizina.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT