Edito

Fanjakan-jiolahy


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Matetika no sosotra na tezitra ireo manampahefana rehefa mahita lahatsoatra famakafakana an-gazety na feo re amin’ny onjam-peo manakiana ny tsy mety ataon’izy ireo tahaka ny afera mazina sy ny trafika ary ny fanaparam-pahefana.


 Ambara fa lainga sy fanalam-baraka ary fanosoram-potoka avokoa ireny ; voaporofo indray anefa tamin’ny alalan’ireo rongony tratra tao anatina fiarana manampahefana tany Ihosy fa tena misy tompon’andraikim-panjakana, olona manana ny maha izy azy manao afera maloto eto.Ireny tany Ihosy ireny no azo sary sy niparitaka haingana fa ny ankoatr’ireny efa tena maro be fa tsy mbola nivoaka na tsy mbola navoaka.Mahamenatra amin’ny maha Malagasy ny tena , kanefa izay ny zava-misy ka atao akory fa tena fanjakan-jiolahy no misy eto e ! Baikon’ny fitiavan-tseza sy fitiavam-boninahitra ary fitiavam-bola ireo mba manana fahefana ka manao izay mahafalifaly ny fony sy mahafeno ny paosiny.Tsy misy voambolana hafa fa dia izay no mahalaza azy mahitsy sady mazava.Hahavita hamadika izany haizina izany ho mazava ve ny filoham-pirenena sa sanatria efa tafiditra ao anatin’ny tadion’ny aferafera koa ? Sarotra ny mamaly io fanontaniana io fa ny tsapa aloha dia sahirana ny firenena ary tsy manam-bahaolana mahomby ny fitondram-panjakana , ny afera dia mitohy ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT