Edito

Fanjakan’i Baroa !


  • Sabotsy 05 Novambra 2016

Fitsaram-bahoaka sy fifamonoana izao no malaza. Mampametra-panontaniana hoe mbola Malagasy ve no miaina eto amin’ity firenena ity sa efa karazan’olona hafa? Fatratra amin’ny fitandroana ny hasin’ny aina isika saingy fiarahamonina lian-dra no misy ankehitriny.

Ny fotoana tokoa angamba manova zavatra ka izao sisa no niafaran’ilay firaisankina sy fifankatiavana nireharehana fahiny. Mahery loatra ve ny revolisionina nentin’ny hafa sa isika mihitsy no maivan-doha ka mora potehina sy sasana atidoha. Tsy mahagaga raha potika sy rotidrotika ny fiarahamonina ary tsy mihatra intsony ny lalàna velona fa efa samy manao izay saim-pantany. Tsy misy hasiny amin’ny vahoaka ny manampahefana fa izy ireo no lasa mandidy sy manapaka amin’ny zavatra atao eo amin’ny fiarahamonina. Lasa niova hevitra ilay rafitra “Fokonolona” mahafinaritra sy noheverina ho fanalahidin’ny fampandrosoana nimatimantesan-dRatsimandrava ka any amin’ny zavatra tsy mendrika no hampanjakana azy. Ny tena zava-doza dia tsy miraika ny mpitondra eto amin’ny firenena fa mbola manana ny kajiny manokana. Ny frankofonia aloha izao no laharam-pahamehana fa izay malagasy mifandatsaka aina any tsy mahamaika. Izany angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe samy maka ho azy sy samy manao izay danin’ny kibony. Efa fanjakan’i Baroa e !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT