Edito

Fanina tanteraka ny vahoaka


  • Talata 25 Novambra 2014

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Raha ny fahitana azy toa mbola manjavozavo ny tena fivoahana amin’ny krizy marina. Resaka nandeha tato ho ato ny mahakasika ny fampihavanam-pirenena izay heverin’ny maro fa lalana azo antoka hivoahana amin’ny krizy.

Efa voasoritra rahateo ao anaty tondrozotra ny fanatanterahana azy, saingy toa nisy hatrany ireo nanodinkodin-dresaka ka nahay  nampilona ny fizotrany. Raha tsorina dia nisy mihitsy ireo olona tsy mankasitraka ny fisian’izany ka nijanona ho resaka ihany hatreto. Tsy ela akory fa volana vitsy izay dia nofohazin’ny FFKM indray ity resaka ity rehefa natory na niniana nampatoriana mihitsy aza. Iretsy farany moa dia efa nanao ny ezaka rehetra hisian’izany saingy noho ny antony  maro dia nihantona. Nisy ihany koa ireo rafitra napetraka hiantsoroka izany  kanefa raha ny hita dia malaza tsy hinanana tahaka ny lovian-tsahona avokoa izy rehetra. Nahatsapa ny FFKM  fa mikatso tanteraka ny raharaha ary tapa-kevitra izy ireo fa hanohy indray ny ezaka efa natombony. Nisy ny dinika efa natao, tamin’izany dia nampiseho ny fahavononany ny rehetra. Teo dia samy velom-panantenana ny Malagasy  fa roso ny dia. Ankehitriny, misy indray ny tetika hoentina hanakanana izany ka mipoitra avokoa ireo vondrona na fikambanana politika maro iniana hampitenenina  miezaka ny manao fanambarana etsy sy eroa. Milaza izy ireny fa mankasitraka ny fampihavanana saingy misy ny rafitra efa napetraka hanao izany ary tsy maintsy ny filoham-pirenena no manendry izay hitarika azy. Raha ny fahitan’ny maro azy anefa dia toa tetika entina hanakanana ny hisian’ny fampihavanana indray izao atao izao ary raha hisy aza dia fampihavanana mitanila no tadiavin’ny sasany atao eto satria misy ny tetika ambadika entina anilihana olona na vondron’olona ao anatin’ireny fanambarana misesisesy hita sy heno tato ho ato ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT