Edito

Fanimbana


  • Zoma 30 Septambra 2022

Dia io iaraha-mahita io ny fahsahiranana etsy sy eroa ; samy te haka ny azy, mitombo isa ireo tsy te hanara-dalàna, te hanohitra fitsipika.Rehefa mandeha ny resadresaka dia fihevitra mampatahotra no re :

aleo samy mamoky ny tenany fa tsy mis azo antenaina izao eto e ! Fa nahoana no tonga any amin’izany, inona no olana, izano rangory fototry ny afo.Fitateram-bahoaka manondrana, fananana iombonana ongotana tsotra izao. Toa mitazatazana fotsiny ny mpitandro ny filaminana , mpampihatra ny lalàna, sa mbola mandinika sy miandry toromarika aloha. Marary ny fiarahamonina, miha very ireo soatoavina, ny resaka hoe fanajana ny maha olona izany moa dia efa tahaka ny hoe angano.asa hoe ho aiza ihany ity Ramalagsy ity, mitady tsy hisy arofanina intsony fa tena samy mandeha samy mitady, arak’ilay hira.Tsy ho to mihitsy anefa ny fampandrosoana ny firenena raha samy tia tena tahaka io.Izaymitambatra vato, fa izay misaraka fasika.Moa tsy efa mazava be izany. Ny fiainana sy ny fomba natao teto , indrindra teo amin’ny sehatry ny fanaovana politika no nampisitra lasitra hafahafa tanyanaty sain’ny olona, lazaina hoe hanao fanovana, kay fanimbana no nitranga.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT