Edito

F’angaha vitan’ny sehoseho izy ity e ?


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Efa miha akaiky ny fifidianana fa ny fametrahana ny taratasy firotsahan-kofidiana ary ity efa manomboka.

Aleo hirotsaka hofidiana avokoa izay mahafeno fepetra sy vonona ho filoha mba hanana safidy tsara ny Malagasy ary ho fifidianana mangarahara sy madio no hodiavin`ny firenena mba haneken`ny besinimaro azy ka ny hirariana dia ny mba hitondra fiovana marina ho an`ny Malagasy. Iza moa no tsy haniry an`izany ? Saingy ireo milaza ho kandidà dia toa tsy mbola manova ny fomba fanao hatrizay. Misehoseho sy maneho hevitra amin`ny haino aman-jery hoe "mahatsapa ny fahantrana” na koa mipoipoitra amin`ny fitokonana maro samihafa. Ampy ve ireo masontsivana ireo amin`ny fitantanana ny firenena ? Politika mantsy ny fitantanana firenena. Karazan`olona handray anjara amin`ny fifidianana 2018 toy ny mpitondra fivavahana, mpitarika tolona sendikaly, mpitsara, mpitarika fikambanana, mpahay toekarena, mpanao gazety… Ireo sokajin`olona milaza ho kandidà ireo ve hanova ny fomba fitantanana firenena ? Ny tantara tsy azo ovana, n`inona n`inona atao dia mitoetra ho an`ny taranaka hangalan`izy ireo lesona. Hanao toy ireo mpitondra nifanesy izay minia tsy te-hahalala sy manao bemarenina ve izay milaza ho olom-baovao ?  Tsy azo lavina fa izay nitondra firenena teto amintsika dia nihevitra ho eo am-pelatanany mandrakizay io fahefana nampindramin’ny vahoaka azy io. Maro ny fampanantenana nataon`izy ireo lasa resaka ambony vavahady fotsiny izao. Mba hanana etika politika ve ireo kandidà sasany ireo ? Tamin`ity fitondrana ity no tena nisy tompondaka tamin`ny tsy fananana etika politika. Mahay mitsara tena, manala tena, miala andraikitra ary manome tsiny ny hafa lava izao. Ny fantatra aloha dia omaly tsy miova ny fanaovana politika eto amintsika. Ny « aleo ataoko, aleo ataoko », nefa tsy mahavita akory rehefa tonga ny tokoa, hany ka lasa sarotra ny fanarenana ny firenena ankehitriny. Fahamatorana ara-potokevitra sy arak’asa no ilaina fa tsy fisehosehoana ivelany fotsiny.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT