Edito

Fanesoana manara-penitra


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Ny atao ihany no atao fa izay hipoahany ihany no hirehetany. Na iza faly na iza tezitra tsy maintsy miroso amin’ny heveriny fa nofinofy tiany hotanterahina ny Fanjakana ankehitriny.

 

Ao anatin’ny fahatokisan-tena tanteraka, ka tsy te hihaino sy tsy te hahalala izay kihana avy any ivelan’ny fanjakana izany. Mitombo ny lonilony ato anatiny satria toa mihidy anaty rindrina efatra ny mpitondra, ka ny azy ihany no marina, ny azy ihany no mety,… Raha atao sarisary an-tsaina, dia efa miloko volon-doranjy ny fahefana rehetra miainga any amin’ny filoha, solombavambahoaka, ben’ny tanàna, loholona,… Tsy afa-miala bala intsony amin’ny tsy fahombiazana. Ny manahirana anefa, dia tsy arakaraka ny filan’ny Malagasy ny zavatra apetraka ho laharam-pahamehana, hany koa zary lasa fanesoana ny madinika. Any Atsimon’ny Nosy mitsipaka ny olona, lasibatry ny hanohanana,... Sahirana na ambanivohitra na an-drenivohitra, saingy manam-bola efa ho 300 miliara ariary hanaovana kianja manara-penitra ny Fanjakana. Ny mpitondra ihany anefa no milaza fa tsisy vola, ny handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana aza mila tsy ho voahefa,… Eny mandadilady mangata-bola any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Isika ilay nolazain’ny Filoha hampindram-bola an’i Kaomoro efa resiny lavitra amin’ny lafiny toekarena. Ny ara-diplaomasia marisarisa tanteraka. Io ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny reny malala sy ny zaza tinaizany. Ratsy ny naoty ho an’i Madagasikara, miha mahazo vahana ny kolikoly,… , saingy efa mandroso hono i Madagasikara. Sa izay ilay hoe mandroso mankany amin’ny fihemorana sy fahalovana ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT