Edito

Fanenjehana an’i Ahmad Tezitra ny zanak’i Boeny


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Saika isan’andro dia ahitana vaovao mikasika an’ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina Ahmad hatrany amin’ny haino aman-jery rehetra miseho eto Madagasaikara ,eny hatrany ivelany aza.............

Ny resaka maha zanak’i Mahajanga azy sy ny finoana arahany no tena ambetin-dresak’ireo vaovao miely isan’andro ireo ary ny mombamomba ny fiainany mihitsy aza dia voakiana avokoa. Eo koa ny raharaha tany Katara izay tsy ahitana porofo no tena anenjehana ity minisitry ny jono ity ka fantatra fa raharaha tsy mahakasika an’i Madagasikara akory izany. Tsy atao tamotamo be toy izao mihatra amin’i Ahmad izao ny fahatrarana ireo olona mpanondrana andramena an-tsokosoko ireo izay tsy manana porofo mazava ny fiampangana azy. Manameloka ny fanenjehana an’i Ahmad ireo zanak’i Boeny ireo tamin’ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao Mahajanga. Voalazan’ ny mpitondra tenin’ireto zanak’i Mahajanga ireto fa ny mahagaga dia ireo mpanao asa ratsy, mpanendaka, mpangarom-paosy dia voahaja ny zo maha olona azy fa ho an’ity minisitry ny jono sady  filohan’ny FMF ity dia aely ho ren-tany sy ny lanitra toy ny zazakely ny fanononana  ny anarany. Etsy an-kilany, azo sary avokoa ny fihetsika rehetra izay ataony. Midika izany fa tsy rariny ny fanenjehana an’i Ahmad. Ho an’ny zanak’i Mahajanga dia fanosoram-potaka azy fotsiny izany ka tsy eken’izy ireo ny fanesorana an’ity farany.

                                                                                 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT