Edito

Fanendrena ny praiminisitra Andrasana ny hevitry ny HCC


  • Alarobia 28 Janoary 2015

Mbola eo am-pandinihana tanteraka ny antontan-taratasy avy amina andiana depiote mangataka ny hanamarinana ny maha ara-dalàna na tsia ny fanendrena ny praiminisitra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin’izao fotoana. Ireo olom-boafidy miaraka amin’ny Mapar (elatra Rajoelina) moa ireto nametraka

taratasy fitarainana ireto. Ho azy ireo mantsy dia tsy araka ny lalàna ary tena mandika mihitsy ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ny nisafidianana sy nanendrena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Mampiady hevitra be ilay hoe maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena, satria na ny vondrona PMP, na ny Mapar dia samy milaza fa manana ny maro an’isa. Ny alahady teo dia efa nilaza ny filoham-pirenena fa andao hifanisa, dia ho hita eo hoe iza marina no tena manana ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena. Andrasana fatratra tahaka izany ny fanapahan-kevitry ny HCC, na hanamarina na handiso ny fanendrena ny praiminisitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT