Edito

Fandrorana mitsilany hatrany


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Miverimberina ny tantara, hoy ny malagasy mpahaifiarahamonina politika omaly nandika ity zava-misy ankehitriny eto Madagasikara ity.

Izay tsy mahalala ny tantara, hoy ny filozofa malaza, Karl Marx, dia voahozona hamerina izany. Tena tsy mahalala ny tantara tokoa isika malagasy sa minia mikipy manao ny ratra efa napetraky ny tantara? Valifaty politika ifandovana ve no vahaolana sa ilay hanaovan’ireo raiamandreny ara-panahy antsoavo ombieny ombieny hoe fifamelana sy fihavanana? Nampiasa hery ny fitondrana Tsiranana ny taona 1972. Nivarina tanaty fahantrana ny firenena. Nampiasa izany koa ny fitondrana Ratsiraka ny 1991. Matimaty fahatany ny vahoaka maro. Tosaky ny rà mandriaka ny tanety. Fahantrana lalina noho ny teo aloha ny setriny. Dia mbola izay ihany koa no notohizana ny taona 2002, 2009, 2018. Ankehitriny isika isan’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany noho izany tsy fahatongavan-tsaina sy fandrorana mitsilany hatrany izany. Aiza ho aiza ilay dradrain’ny mpitondra fa fitiavan-tanindrazana sy ambom-pom-pirenena anatin’izany rehetra izany? Mby aiza ihany koa ny tena tanjon’ny atao hoe fanoherana ao anatin’izany? Manohitra mba hahazo seza sa tena manohitra ahatongavan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana tena milamina sy mandroso amin’izay?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT