Hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto Madagasikara na filoham-pirenena io na depiote na ben’ny tanàna, dia saika nisy savorovoro hatrany.
Ny teo amin’ny resaka filoham-pirenena moa dia mampametra-panontaniana ny mpandinika sasany mihitsy hoe mba oviana ary teto no nisy filoham-pirenena lanim-bahoaka marina na lanim-bahoaka ka tsy nisy romoromo ? Mamohehatra mihoatra ny hatramin’izay ny zava-mitranga ankehitriny. Tsy vao sambany, hoy ilay mpanao politika iray izay no nisy hala-bato teto Madagasikara fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa diso miharihary loatra toy ny vay an-kandrina. Asa, ho faly ve izany izao ny mpanaradia ity kandida nahatsikaretana fanaovana hosoka maro ity satria izy ireo no hankalazain’ilay vaomiera misahana ny fifidianana hatreto fa nandresy ? Fandresena hitondra mankaiza anefa ? Tena izany tokoa ve no atao hoe fandresen’ny vahoaka Malagasy ? Heverina kosa angamba fa ny antoka fa hilamina fehizay ny firenena no tena atao hoe fandresena. Rehefa tonga izay fotoana izay na iza na iza ho mpitondra hiakatra eo dia izay no hinoana fa tena fandresen’ny vahoaka Malagasy marina. Ankehitriny dia hita ho mizotra ary ampizorin’ireo tia karokaroka sasany kanefa marivo saina ho any amin’ny fisaraham-bazana ny Malagasy. Izany foana no ezahana novoizina tao anatin’ny fotoam-pifidianana iraimanontolo. Hitondra tombony ho antsika Malagasy ve anefa ny fifandrafiana na sanatria fifandonana sy fifampikasihan-tanana noho ny hevitra tsy mitovy ? Tsy hay izay ho fanapahan-kevitry ny CENI anio na hiteraka fiheverana fandresena ho an’ny an-daniny na ho an’ny an-kilany. Hihemotra amin’ny teniny ve sa hitazona izay fanapahan-kevitra efa nolazainy izay ity rafitra ity ? Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany no ho tompon’ny teny farany saingy ny hirariana dia ho fanapahan-kevitra hitondra filaminana eto amin’ny firenena no holazainy mba ho tena fandresen’ny vahoaka Malagasy marina tokoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.